airtel

Politique

29-avril-2024

Tsara tsodrano i Christine Razanamahasoa

Nahavita fanehoan-kery goavana

Sample post image

Tontosa ny zoma 26 aprily 2024 ny fotoam-pivavahana fitsofan-drano ny kandida solombavambahoaka,

29-avril-2024

Razanamahasoa Christine sy Rasamimanana Andriantiana na Mr Dadah mpiray lisitra aminy, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Kandida mahaleotena moa izy ireo ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Ireo mpitondra fivavahanana sy ireo raiamandreny ary ny solontenan'ny vahoaka no nitsodrano azy. Zava-poana ny zava-drehetra raha tsy ankinina amin’Andriamanitra ary ny tsodrano dia tokana ihany, izay avy amin'Andriamanitra, ka "ny ampitso no hilaza azy", hoy ny mpanotrona, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Azo lazaina ho tsara tsodrano nahavita fanehoan-kery goavana ihany koa teto ny filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha ary heverina fa mbola tantara mitohy tokoa ireo efa nambarany fa mbola ho tohizana tahaka ny fiadiana amin’ny tsy fahamarinana sy ny asa fanelanelanana manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny izay niainga tamin’ilay hoe fanelanelanana PAN/FFKM.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap