airtel

Politique

20-déc-2022

Politique

Tsindry bokotra tamin’ny Antenimiera Efa taratry ny hanjo ny CENI sy HCC amin’ny 2023

Sample post image

Mijanona ho dosie mbola an-dàlana na “en instance” eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena (HCC) aloha hatreto ny raharaha fakan’ny Filankevitra ambony momba Fiarovana ny Demokrasia sy Fanjakana

20-déc-2022

tan-dalàna HCDDED eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Manontany ny hevitry ny HCC teo anatrehan’ny fitsabahan’ny Filoham-pirenena tamin’ny raharaha fitsipaham-pitokisan’ny Antenimieram-pirenena ny governemanta, ary nanontany ihany koa ny lanjan’ny taratasy nataon’ny Birao maharitra sasany eo anivon’io Andrim-panjakana io, izay namoaka fa tsy nanaraka ny lalàna sy ny fenitra, ka heverina ho toy ny tsy manan-kery ilay fitsipaham-pitokisana. Raha ny lalàmpanorenena, ny andininy faha-103 no mamaritra fa anjaran’ny antenimierampirenena ny manara-maso ny mpanatanteraka, ary azony atao ny manao fitsipaham-pitokisana rehefa eken’ny antsasa-manila ny fangatahana, ary tsy maintsy lanian’ny 2/3n’ny mpikambana. Ny andininy faha-201 sy 202 amin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena no milaza fa tsy azo sintonina na anampiana na analana intsony rehefa tafapetraka ny sonia sy ny fangatahana. Voararan’ny lalàna ihany koa anefa ny fihaonana mivantana eo amin’ny depiote sy ny filoha fa an-taratasy no tokony ho izy, kanefa ny Filoham-pirenena no voalaza fa nampiantso ireo depiote tetsy amin’ny Arena Ivandry ny takarivan’ny 7 desambra, ary teo no voalaza fa nisian’ny tsindry sy baiko hoe: tsoahy io, mihemora raha tianareo aho. Inona no hambaran’ny HCC teo anatrehan’ny zava-misy? TARATRY NY 2023 Nanaovana baiko sy tsindry ny Antenimierampirenena izay IRD no maro an’isa, ka natsefotra teny an-dàlana. Andrim-panjakana goavana be misy mpikambana 151 aza ireny ny zava-nitranga. Nisy karazana ampamoaka avy amin’ireo heverina ho mpifanandrina tao anatin’izany, ka ny avy amin’ny governemanta nilaza fa 5 tapitrisa Ar in-telo niantoana no tambiny tamin’ny fitsipaham-pitokisana. Tary amin’ny ankilany ihany koa nisy nanao ampamoaka, fa 10 tapitrisa Ar ny tambin’ny fanatsoahana sonia na tsy fandraisana anjara,… Hampitombo hatrany ny ahiahy amin’ny ho avy izany. Rafitra misy olona 151 aza nilamina ny tsindry na koa ny totohondry vola, lojika ary azo heverina mazava ho azy fa tsy sarotra ny hanao tahaka izany amin’ny HCC, ny Vaomiera misahana ny fifidianana na CENI,… amin’ny raharaham-pifidianana. Mitovitovy amin’ny endrika sy firafitry ny antenimieram-pirenena rahateo ireo, izay toa olona nanana rohy ara-politika nivantana na ankolaka tamin’ny Filoham-pirenena no manana ny maro an’isa amin’ny mpikambana, na ekena aza fa nanaraka ny lalàna ny nahatongavan’izy ireo teo. Mampitombo ny ahiahy ireny sary tamin’ny fitsipaham-pitokisana ireny, ary raha ny tantara tany aloha, dia efa nisy teto izany karazana tsindry toy ny fampanaovana sonia taratasy avy any ivelany ny mpikambana tao amin’ny HCC tamin’ny raharaha 2009, nisy mihitsy aza mpikambana tsy nety nanao sonia saingy ny zanany no voalaza fa natao takalon’aina ka voatery tsy fidiny. Efa nodimandry moa io mpitsara ambony niharan’izany io. Ahiana hiverina ny sary tahaka izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap