atsaharo ny tsindry politika amin’ny endriny samihafa, ka isan’ny voatonona tamin’izany ny depiote sy senatera izay voalaza fa misy amin’ireo no mandidy sy manapaka amin’ny resaka fampidirana sy fanendrena mpiasam-panjakana. Tany aloha, efa nisy ny fiporitsahan’ny resaka fa ny depiote no manana “quota” amin’ny fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjakana. Vao ny faran’ny herinandro lasa teo tany Port-Berger, depiote no voatonontonona ho nandrahona ny mpitsara hanatsahatra ny didy fampisamborana olona nahoana ho tompon’antoka tamin’ny vono olona, hany ka navotsotry ny zandary. Ny ampamoakan’i Mahery Lanto Manandafy nanononany anarana vazaha iray sy polisy miasa any amin’ny fiadidian’ny Repoblika ho tompon’antoka amin’ny famatsiana bala ny dahalo, dia misy depiote ihany koa noresahany tao anatin’ny raharaha. Io indray ny raharaha Betroka sy Bekily, izay ny depiote Nicolas Randrianasolo mihitsy no nilaza ampahibemaso fa ny Depioten’I Bekily Atoa Jean Daniel no nampaniraka nandefa miaramila 22 lahy avy ao amin’ny kaompania 518 ao Bekily naka an-keriny omby 107 sy osy 210 tao Misinjo ao amin’ny kaominina Ambatomivary ao amin’ny distrikan’i Betroka tsy nandalo tamin’ny manam-pahefana tao an-toerana akory ny 09 septambra teo, omby 97 amin’ireo 107 sy osy 24 amin’ireo 210 sisa no tonga tany Bekily. Ahiana hiteraka adim-poko ny raharaha fakana omby tao Betroka, hoy io depiote io. Solombavambahoaka mifandritaka fa solombavambahoaka maniraka miaramila haka omby an-keriny, raha toa ka nilaza kosa Minisitry ny fiarovam-pirenena fa tsy manana ny mpibaiko azy ny miaramila. Na izany na tsy izany, tsikaritra tato ho ato ny fahenoana anarana depiote amin’ny resaka tsindry politika sy fanjakazana fa eo ihany koa ny afera maloto samihafa. Misy ohatra depiote voatonona amin’ny trafikana volamena, ary efa niparitaka tamin’ny haino aman-jery, saingy vitavita ho azy ny resaka. Tsy vao sambany fa efa nisy tany aloha ny hoe: depiote nahatrarana vola tsy mazava roa baoritra,… Tena hahafahana manjakazaka sy manao afera ve no nihazakazahana naka fahefana ?
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny