airtel

Politique

28-déc-2022

Politique

Tsiry Andriamihantasoa Hampanarahana ny dian-dry Stanley sy Malama?

Sample post image

Nahazo fampanantsoana avy amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka na ny “Service de la lutte

28-déc-2022

contre la cybercriminalité” etsy amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary i Tsiry Andriamihantasoa anio alarobia 28 desambra amin’ny 9 ora maraina, raha ny taratasy voarainy. Famotorana mikasika raharaha Facebook no voalaza fa hiantsoana azy, ary nomarihina fa manana zo hitondra mpiaro izy. Tsara ny mampahatsiahy, fa tanora mpanao politika, efa kandida ho ben’ny tanàna teny Bongatsara Antananarivo Atsimondrano I Tsiry Andriamihantasoa. Toy izao ny nambarany tao amin’ny kaonty Facebook-ny eo anatrehan’ny fiantsoana azy: "Talohan'i Krismasy dia nahazo loharanom -baovao marim-pototra aho fa misy zandary mitady ny toerana misy ahy. Noho izany dia efa nivonona aho, androany maraina no tonga marina tokoa ireo zandary ireo nanatitra taratasy fiantsoana… Tsy fantatro izay tena antony fa zavatra iray loha ihany no fantatro dia izao '' efa ela aho no nitadiavana hevitra ny hamotehana ahy sy hanagadrana ahy satria izaho dia miaro ny hisian'ny tombon-tsombahoaka eto amin'ity kaominina misy antsika ity”. Nambarany fa efa nanatonana mivantana izy mba hangina. “Nangina tokoa, efa mipetraka aho anefa ary niresaka tsy nitsikera intsony,dia mbola ezahana hamoronana dosie ihany,… koa eto aho dia miantso anareo vahoakan'i Bongatsara rehetra izay resy lahatra tamin'ny fijoroako mba hitrotro am-bavaka sy hijoro ho an'ity tanan-tsika ity hatrany. Mijoroa katsaho mandrakariva izay hahasoa an'ity tanindrazantsika ity fa izaho raha mbola mijoro koa ny tongotro roa ho eo anilanareo hatrany aho", hoy I Tsiry Andriamihatasoa. Tombanana ho misy ifandraisany amin’ny politika ity fampanantsoana ity ka andrasana ny akony. Tsy misy resaka “trêve” fa mitohy ny asa ho an’ny Sampana Cybercriminalité ka andrasana izay tena antony? Ho afa-bela sa hanara-dia an-dry Stanley Ramarivelo sy Mahery Lanto Manandafy I Tsiry Andriamihantasoa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap