ohatran’ny mpanao politika rehetra, hoy ny solombavambahoaka teo aloha sady mpikamban’ny antoko politika sosialista na «Parti socialiste» frantsay, Marie Zenaide Ramampy Lechat. Miresaka amin’ny filohan’ny SADC ve moa izy dia hanohitra ny filohany avy hatrany, hoy ity mpanao politika ity? Tsy teto aho raha nandalo teto i Macron fa nahoraka hatraiza hatraiza ny hoe namboarina ny tanàna, natao madio. Ohatran’ny hoe tsy mijaly ny malagasy. Na dia fantatr’i Macron amin’ny alalan’ireo fanadihadiana be dia be ireo aza ny tena olana misy dia tsy miteny izy satria noraisina tsara. Miteny aminy ny ambasady sy ireo mpiasam-panjakàna frantsay miasa eto hoe izao no olana aty. Isika mangata-bola any hoe sahirana ny any atsimo, sahirana ny ary, ampio izahay amin’ny lalana, ny JIRAMA. Izay resahin’ny filoham-pirenena eto aminy no novalian’ny filoham-pirenena frantsay. Ohatran’izany koa ny resaka hoe indostria sy varotra no andehanan’ny SADC aty. Hisy tombontsoa ho azony amin’ny vokatra na zava-misy eto Madagasikara ve? Hitehaka izy fa tsy hanao inona! Tsy hisy antenaina hiova satria tsy hisy hitsikera azy ireo delegasionina hoavy eto ireo. Ny tsara no asehon’ireo. Mijery vaovao eto Madagasikara ianao dia hita ho mivoy ihany ny tsy fihetezan-javatra rehetra misy eto amin’ny firenena kanefa vao tonga any Fianarantsoa ny filoham-pirenena dia mahagaga fa mbola raisin’ireo vahoaka amin’ny fomba makotrokotroka. Ohatran’ilay vahoaka mihitsy no tsy mahay manavaka ny mety sy tsy mety intsony. Mavaivavy ny fitateran’ny gazety ny olan’ny JIRAMA. Ny mpianatra ary mandoro kodiarana, na ny teny Vontovorona io na Ankatso. Mbola tsy mivaha akory ny olana dia maty hatrany ireo hetsika. Asa hoe azon’ody ve isika malagasy ity sa ahoana?
J. Mirija