airtel

Politique

26-mai-2023

Politique

Tsy fahafehezana arofenitra Sambany nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena

Sample post image

Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.

26-mai-2023

Mbola tsy hita tao anatin’ny 60 taona moa, hoy ny fomba fiteny malaza izay. Araka ny tati-baovao voaray omaly dia tsy araka fitokanana zava-bitan’ny fitondrana ankehitriny tao Fianarantsoa omaly satria ankoatry ny fitokanana ny biraon’ny fokontanin’Ambatolahikosoa io dia notokanana niaraka tamin’izay ihany koa «Chapelle militaire SEMIPI», biraon’ny filaminam-bahoaka, biraon’ny asam-panjakana, lalana rarivato Antanambao – Tsitiana. Mbola hitohy anio ny fitokanana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Matetika no efa voatsikerana mpanao politika sy mpamakafaka avy amina firehana maro ny mikasika ny tsy fahafehezana arofenitra, izay zary toy ny lasa mahazatra no nahita azy tato anatin’ity fitondrana ity. Hatrany anatina tombola ve tokony hisy sarina filoham-pirenena? Miverina foana koa ny fanontaniana hoe dia tsy misy tomponandraikitra efa voatendry tokony hanao azy ireny ve ary tsy misy andraikitra hafa manan-danja kokoa tokony ataon’ilay filoham-pirenena izay mifanitsy amin’ny sata maha filoham-pirenena azy no dia ataony hatramin’ny mandoa-bary ho an’ny traboina sy mitokana biraom-pokontany vao nolokoina volomboasary androtr’iny omaly iny ihany? Vao omaly nialohan’ny hitokanana azy tokoa tsinona vao nolokoina volomboasary ilay biraom-pokontany raha toa ka mavo no lokony teo aloha. Aiza moa ilay filoham-pirenena no tsy hisalasala akory hiteny fa niari-tory namoron-kira ho an’ny lalaon’ny nosy ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap