Raha tsiahivina fohy moa ny tantaran’izany Kolonely izany dia teraka ny sabotsy 21 marsa 1931, tao Mangarivotra, Antananarivo izy, hoy ny fampahafantarana voaray. Voalaza ho maty nisy nitifitra teo Ambohijatovo kosa ny 11 febroary 1975, izany hoe 6 andro taorian’io fehezanteny malaza nolazainy ny 5 febroary 1975 io, fotoana izay namindràn’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny fitantanana ny firenena taminy rehefa avy niandraikitra ny toerana maha minisitry ny atitany. Namafisin’ny mpanao gazety, izay azo lazaina hoe vavolombelon’ny tantara, Latimer Rangers, moa fa ny mpahaitantara frantsay efa nodimandry nanao fikarohana manokana momba an’i Madagasikara, Pr Françoise Raison Jourde, dia nanamarika tao amin’ny boky nosoratany fa efa maty tao amin’ny biraon’ny Jeneraly Gilles Andriamahazo ity Kolonely ity nialoha iny fitifirana nitranga teny Ambohijatovo iny. Hatramin’izao mbola mijanona ho misitery amin’ny ankamaroan’ny olompirenena malagasy kosa ny raharaha nahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava, mpitondra fanjakàna nandritry ny 6 andro monja. Heverina ho teny nifono misitery tahaka izany koa ity hoe «Tsy hiamboho adidy aho mon Général!». Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe efa nandindona mialoha ny Kolonely ve ny hitranga aminy? Fantany ihany koa ve fa tonga amin’ilay fomba fiteny hoe nandray vy mahamay izy raha nandray ny fitantanana manontolo ny firenena satria maro ireo nahatsiaro ho very fihinanana tamin’ny alalan’ny nametrahany ireo rafitra ifotony samihafa fony izy niadidy ny atitany tahaka ny Vatoeka na Vaomieran’ny toekarena na ny fametrahana ny nantsoina hoe «Raharaha ikambanana», indrindra moa, fa ny fanomezan-danja ny atao hoe Fokonolona, izay naha raikitra ny anarany mihitsy hoe «Rain’ny fokonolona»? Ho tsaroana afaka 6 andro indray, araka izany, ny faha 50 taonan’ny raharaha Ratsimandrava. Isan’ny nanamarika ny tantaram-pirenena izany rehetra izany saingy heverina fa fanontaniana mipetraka hatrany kosa ny hoe inona no lesona noraisintsika taranaka aty aoriana izay hanohy ny tantaran’ity firenena ity?
J. Mirija
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany