airtel

Politique

28-mars-2024

Tsy manaiky lembenana ny PAN

“Matoky anareo aho, tsy hanaiky ny tsy tan-dalàna isika”

Sample post image

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

28-mars-2024

Nentina eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tokoa aho. Lazaina fa tsy manaja ny fitsipi-pifehezana mifehy ny Vondron’antoko na antoko izay misy ahy. Ny antony dia ilay hoe: tsy nanaja ny fanekena izay natao, ary ny anton’izany dia ny fanambarana na kabary izay ataoko, manambara ny marina, mijoro amin’ny fahamarinana, ka ny fahatsapana fa manjaka loatra ny tsy fahamarinana, manjaka ny karazana antsojay, manjaka ny ny fanilikilihana, manjaka ny kolikoly, tsy misy ny mangahara! Nahasahy nijoro aho nanohitra izany rehetra izany, dia izay no mahatonga an’izany fihetsika na fanapahan-kevitra an’izay tompon’andraikitry ny antoko izany, ka entina any amin’ny HCC mba hanesorana ahy tsy ho solombavambahoaka”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Heveriko, hoy izy, fa ny mijoro amin’ny fahamarinana sy milaza ny heviny ny mikasika ny tsy fankasitrahana ny tsy rariny eto amin’ny Firenena dia lazaina fa mpamadika ary hampiharina amin’ny hoe: hoesorina tsy ho solombavambahoaka. Tiako anefa ny manamarika fa ny solombavambahoaka milaza ny heviny tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny mpitondra dia tsy azo henjehina amin’ny tsy fitovian-kevitra na fanambarany ny heviny ampahibemaso, hoy ny PAN. Nanamafy noho izany ity farany fa mavesa-danja ny fijoroana amin’ny fahamarinana, manohitra ny fanilikilihana, ary mijoro hanohitra ny tsy fahombiazana, mijoro hanohitra ny kolikoly, mijoro hijoro hanohitra ny tany tsy manaja lalàna fa hiady mba hametraka ny tany tan-dalàna! Heveriko fa izany rehetra izany fa soatoavina lehibe fototra izany, ka tsy misy fatiantoka amin’ny fijoroako amin’izany, hoy hatrany Rtoa Christine Razanamahasoa. Nanambara ny tenany fa tena tsy manaraka ny fenitra voalazan’ny lalàna fitoriana azy eny amin’ny HCC. “Heverina ho toy ny depiote tsotra tenako kanefa mbola filohan’ny Antenimierampirenena. Havereno ho depiote tsotra aloha ny filohan’ny antenimierampirenena izay vao hampiharina aminy ny fanalana tsy ho depiote intsony. Ny dingana rehetra natao dia mivaona, na ilay olona nampiditra ny taratasy any amin’ny HCC aza dia nandika ihany koa ny fepetra satria misy “rappel à l’ordre” indroa misesy, izay an-taratasy fa tsy am-bava”, hoy ity farany. Hahavita hanongana amin’ny alalan’ny depiote maro an’isa ve ny Fitondrana eo anatrehan’ny fahamaroan’ireo sosotra eny fa ireo volomboasary sasany aza? Notsipihiny fa tsy misy mampifatotra azy intsony amin’ny antoko nisy azy teo aloha dia ny TGV-MAPAR satria efa nandray fanapahan-kevitra ireo nandroaka azy. Noho izany dia tsy mitombina intsony ny filazana fa voafehin’ny fitsipi-pifehezan’ny antoko ny aho, raha ny nambarany raha nanambara sy nanapongatra ny tena marina sy ny fahamarinana, ary napetrak’ireo Raiamandreny ho Raiamandrenin’ny Firenena aho ny sabotsy lasa teo, dia izay ihany koa no mahatonga ny fanonganana ahy.
TSY HANAIKY NY TSY FAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA
“…Isika, ianareo, ary izaho, dia tsy manaiky, ary tsy hanaiky, ny tsy fampanjakana ny fahamarinana, fanajana ny tany tan-dalàna, koa matoky ny fahendrenao, ny fahendrenareo vahoaka Malagasy. Ampahafantarina anareo ny zavatra misy ka ianareo vahoaka no hitsara ka hilaza na ekena na tsy ekena ny fanesorana solombavambahoaka Filohana antenimierampirenena noho ny hevitra tsy mitovy”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa namarana ny teniny. Nandefa taratasy tany amin’ny HCC ho setrin’ny fangatahana fiarovana ao anatin’ny 48ora Rtoa Christine Razanamahasoa tamin’ny alalan’ny mpisolovava Maitre Rija Rakotomalala. Navoitra fa ny andininy faha-32 amin’ny hitsivolana 2001-003, dia manana iray volana ny voakasika hanaovana io fiarovana na “mémoire en defense”, ka nangatahany ny fanemorana ny fe-potoana. Notsipihiny ihany koa ny fahafahan’ny voakasika maka mpisolovava sy nangatahana ny hanaovana ampahibemaso ny fihainoana, araka ny voalazan’ny andininy faha-29 amin’ilay lalàna voalaza etsy ambony. Anio amin’ny 2ora tolakandro ny “audience public” ity raharaha ity eny amin’ny HCC, raha tsy misy ny fiovana. Andrasana ny tohiny!
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap