airtel

Politique

12-nov-2024

Tsy mety ny manao kopisoroka

"Mila fanabeazana ny fampiharana ny lalàna"

Sample post image

Anisan’ireo mpijery baolina lavalava teny amin’ny kianja MAKI Andohatapenaka ny alahady tolakandro teo i Tahina Razafinjoelina.

12-nov-2024

Fotoana nitondrany fanampiana ho an’ireo mpanao Rugby no sady nanehoany hevitra ihany koa momba ny hoe fampiharana ny lalàna sy fandrindrana ny fiainam-piarahamonina. Ahoana hoy izy no hampanarahana lalàna ilay olona kanefa ilay olona tsy nandalo fanabeazana ? Tena sarotra izany ka tsy maintsy resahana sy itadiavam-bahaolana amin’ny alalana vinam-piarahamonina. Tsy azo terena fotsiny fa tsy mila manaraka paikady mazava. Izany no antony ijoroan'ny antoko Tia Tanindrazana amina fotokevitra 3 lehibe dia ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana ary nomerika. Ireo amin'izao vanim-potoana iainana izao no lakilen'ny fampandrosoana. Ary i Madagasikara manokana dia mila manao ezaka be eo amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana. Na ny ankizy, na ny tanora na ny efa lehibe dia tokony ahazo ny anjara tandrify azy. Ny tsy fahampiana na tsy fahalavorarian'ny fanabeazana no mahatonga olom-pirenena maro manaotao foana, tsy mety mahita asa mendrika dia lasa manao asa ratsy : misoloky ,mangalatra, maka an-keriny, mamono olona. Misy ny farafahakeliny ilaina amin'ny fanabeazana mba haha olom-banona ny olom-pirenena ka ahafantarany ny azony atao ny tsy azony atao.Mila fanabeazana ampy vao mahatsapa hoe misy tombotsoa iombonana sy rafitra tsy maintsy hajaina ary soatoavina mila tandremana fa tsy hoe izay tiako ihany io. Mila tadiavina noho izany jy paika sy tetika hanatsarana ny lafiny maha olona raha te hampihatra an-tsakany sy an-davany ny lalàna fa raha tsy izany dia manjary reaabe fotsiny ilay hoe : fanjakana tan-dalàna.
RTT

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap