airtel

Politique

01-déc-2023

Tsy milavo lefona ny mpanohitra

« Hanala ny olona nambotry ny firenena isika»

Sample post image

Ambohipihaonan’ny Etamazoro politikan’ny mpanohitra ny omaly tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny

01-déc-2023

kandida Siteny Randrianasoloniaiko tetsy Andohan’i Mandroseza. Nitarika izany ny Firaisankinan’ny kandida, ary saika tazana teny an-toerana avokoa ireo herivelona samihafa, tahaka ny antoko politika, raiamandreny ara-drazana,… Nafanafana ny fihaonana izay niendrika fampitambarana sy fanamafisana ny hery hiatrehana tolona mahery vaika kokoa. Samy resy lahatra ny rehetra fa tsy azo avela amin’izao ny firenena, manohitra hatramin’ny farany ny fifidianana feno hosoka ary mihevitra izany ho toy ny tsy misy, hijoro hatramin’ny farany tsy hanaiky ny firenena hoentim-bazaha,… Tsy resy ary mbola tsy reraka isika, hoy izy ireo, izay naneho fa mbola mafy noho ny teo aloha ny tolona miandry saingy tsy atao mampihemotra. « Mbola vao fanafanana tena ny teo aloha, fa mbola aoriana ny ady lehibe », hoy ny mpitarika. Nanamafy fa tena fifidianana hosoka ny teo, ary maro ny porofo, ka tsy hanaiky hatramin’ny farany, na dia efa anio aza ny hanambarana ofisialy ny voka-pifidianana. «Efa fantatra ary mbola nohamafisiana ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna nanomboka tany amin’ny fanomanana ny fifidianana ka hatraty amin’ny famoahana ny saritsarim-pifidianana. Voaporofo androany fa mitombina ary azo raisina raha izay ny didy tokony hivoaka ny fanambarantsika fa tsy misy iny fifidianana tamin’ny 16 novambra iny, ary ny didy havoakan’ny HCC anio dia tsy azo raisina sy tsy mitombina», hoy i Hajo Andrianainarivelo nitondra tenin’ny Firaisankinan’ny kandida.
MIANTSO NY HERIVELONA REHETRA, MPIASAM-PANJAKANA, TAFIKA
Niantso ny rehetra hifanome tànana noho izany ny Firaisankinan’ny kandida izay nanipika hatrany fa tolom-bahoaka, tolom-panavotana ny firenena, tolona hialana amin’ny vahiny mifehy ny firenena, tolona ho an’ny taranaka. Manomboka izao dia misokatra amin’ny herivelona rehetra manerana ny Nosy ny Firaisankinan’ny kandida hamitana ny tolom-bahoaka hanavotana an’i Madagasikara, hoy ny toromarika. Handeha manerana ny faritra, hamafisina ny efa natomboka tany amin’ny faritra, ka ho avy hanampy azy ireny isika, hoy hatrany ny Firaisankinan’ny kandida. Miantso ny herivelona rehetra, miantso anareo mpiasam-panjakana satria ny mpiasam-panjakana terena hamoaka fifidianana hamotehana firenena ka fotoana izao hijoroanareo sy hampisehoanareo fa ny Fanjakana dia anareo fa tsy an’ny olom-bitsy izay mibaiko anareo akory, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Miantso ny tafika ihany koa ka nilaza fa ampy izay ny fanapoahana grenady ka mba hihaino ny feon’anjomara hanavotana an’i Madagasikara izay tanindrazana iombonana indray no hijoroana. Niantso ny mpanao politika hijoro sy tena hanambatra ny heriny satria efa noporofoina tamin’ny alalan’ny Vondron’ny kandida fa azo atao ny manova firenena rehefa misy ny foto-kevitra iombonana, hoy hatrany izy ireo.

HANALA NY OLONA NAMBOTRY NY FIRENENA
Nohamafisiana fa tsy maintsy resena ny jadona, hesorina ny mampotika firenena, akisaka ny mpanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena. « Izao vao tena manomboka ny tolom-bahoaka satria hiatrika tsy fanarahan-dalàna, hiady amin’ny kolikoly, ary hanala ilay olona nanambotry an’i Madagasikara ary nanimba ny firenena Malagasy nandritra izay 5 taona izay ary indrindra indrindra nampiseho ny tena endriny tamin’iny fifidianana iny fa tsy refesi-mandidy ary tsy mpanara-dalàna ka noho izany, ny mendrika izany dia ny fanaovana fifidianana tena izy tsy handraisan’ny olona tsy manana zom-pirenena Malagasy anjara, mba hiverenan’ny tena hasin’i Madagasikara satria izao vao tena mazava fa izay no nahatonga ity firenena ity satria misy vahiny mialokaloka ao an-damosiny tao, ka miteraka olona ho an’ny fiarahamonina, mitady tombotsoa manokana fa ny tombotsoa iombonana », hoy ny Mpitondra tenin’ny Firaisankinan’ny kandida. Nanentana sy nanome toromarika ny rehetra hanetsika ny rafitry ny tolom-bahoaka manomboka amin’ny fokontany, kaominina, faritra, firenena noho izany ny Firaisankinan’ny kandida.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap