airtel

Politique

14-nov-2023

Tsy miova ny datin’ny 16 novambra

Manitrikitrika ny HCC fa tsy maintsy hatao ny fifidianana

Sample post image

Fanontaniana mipetraka ankehitriny ny hoe : tena hisy ve ny fifidianana kasaina hatao ny 16 novambra izao eo

14-nov-2023

anatrehan’ny tsy fitovian-kevitra sy ny savorovoro politika aterany ? Telo andro mialohan’io daty io, namoaka fanambarana ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny andron’ny omaly fa tena hisy ny fifidianana, tsy te hahalala izay tsy fitovian-kevitra sy ahiahy politika na krizy goavana mety haterany. «Malalaka ny fanehoan-kevitra araka ny andininy faha-10 amin’ny lalàmpanorenana. Misy ny milaza fa tsy tokony hatao ny fifidianana ka zony no milaza izany, fa amin’ny ara-panjakana aloha hatramin’izao dia amin’ny alakamisy ny fifidianana. Tsy misy lalàna manery ny kandida hanao fampielezan-kevitra, ary efa nisy depiote aza nigadra tany am-ponja tsy nanao propagandy kanefa lany ihany », hoy ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa. Manitrikitrika fa efa ao anaty bileta ny anarana sy ny sarin’ny kandida ka na tsy manao propagandy aza tsy manova zavatra. Notsiahivina fa ankoatra ny fahafatesan’ny kandida, dia antony tsy azo hanoharana no ahafahana manemotra fifidianana, saingy nolazaina fa tsy tafiditra ao anatin’izany ny tsy fahafahan’ny kandida Andry Raobelina miatrika fifidianana noho ny fitsaboan-tena any ivelany, izay vokatry ny ratra nateraky ny herisetram-panjakana ny 02 oktobra teo. Miantso ny fiatrehana ny fifidianana am-pitoniana moa ny HCC, ka nilaza masi-mandidy ny vahoaka Malagasy, ary ny andininy faha-5 amin’ny lalàmpanorenana no milaza fa amin’ny alalan’ny fifidianana sy fitsapankevi-bahoaka izay, ka nanambaran’ny Filohan’io andrim-panjakana io fa tokony hampandeferina ny tsy fitovian-kevitra mba hiatrehana fifidianana am-pitoniana. « Inona no tsy maha feno ny fepetra ? Satria tsy atokisana ny HCC sy ny CENI ? Raha misy andrim-panjakana tena miaro ny lalàmpanorenana dia sahinay ny milaza fa ny noho ny fiarovana ny lalàmpanorenana dia lasa be fahavalo izahay », hoy Atoa Florent Rakotoarisoa naneho fa feno ny fepetra hiatrehana fifidianana. Milaza fa tsy manaiky ny tsindry hanerena azy hivoaka ny lalàmpanorenana. Tena izay ve ny zava-marina sa mitanila araka ny ahiahin’ny maro ary nympitsara iraisam-pirenena teo aloha aza dia sahy nilaza mihitsy fa ity HCC ity no isan’ny fototry ny korontana ? Tena voahaja antsakany sy andavany tokoa ve ny lalàmpanorenana eo anatrehan’ny toe-javatra maro toy ny adihevitra mikasika ny Filoha teo aloha izay efa nanary ny zom-pirenena ? Hitondra filaminana ve ny endrika amboletra sy fitanilana samihafa ? Momba ny fitoriana mikasika ny fifidianana, dia milaza ny HCC fa fepetra ahafahana manao izany ny fandraisana anjara amin’ny latsa-bato. Ho raharahan-tokantran’ny mpitondra sy ny mpikarakara fifidianana izany ity eo anatrehan’ny fanentanan’ny fanoherana ny tsy fandraisana anjara, izay midika hatrany fa fifidianana mandeha ilay, tsy azo antoka, tsy eken’ny rehetra,… Hitondra fitoniana ho an’ny Firenena sa vavahady midanadana any amin’ny krizy lalina sy tsy fahamarinan-toerana goavana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap