Andrim-panjakana nijoro tao anatin’ny vanim-potoana ara-politika navaivay ny taona 1991 ny Mediatioran’ny Repoblika Malagasy, izay natsangana tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana n°92-012 tamin’ny 29 aprily 1992. Nampiasaina mba hanelanelana ireo mpifandrina ara-politika satria tena nangotraka ny maripana teo amin’ny Fanjakana tetezamita sy ny mpanao fihetsiketsehana nivoy ny federalisma, ary nahiana mihitsy ny ady an-trano. Ny mediatiora no nanelanelana, ka niravona ny olana. Rafitra mahaleotena, ary tsy mandray baiko sy toromarika avy amin’ny manam-pahefana na rafi-pahefana hafa io. Tsy azo henjehina sy tsaraina amin’ny hevitra naposany na fihetsika natao tao anatin’ny fanaovana ny asany. Mitovy laharana sy tombotsoa amin’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny Mediatora. Voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny vola hoentiny manantanteraka ny asany. Ankehitriny dia ny Maître Lala Ratsirahonana no Mediatioran’ny Repoblika.
INONA NO ASANY ?
Mety manampy betsaka ny olom-pirenena ny Mediatiora, saingy betsaka no mety tsy mahalala az. Mpiahy ny ara-drariny sy miaro ny zon'ny vahoaka, miantsoroka ireo raharaha sy fitarainan’ny vahoaka amin’ny tsy fanjariana eo amin’ny tolotra momba ny raharaham-panjakana, manara-maso ny fanajana ny zon’olombelona sy ny Fanjakana tsara tantana, miantoka ihany koa fiarovana sy fampiroboroboana ny zon’ny olom-pirenena. Azo atao no mampahafantatra ny zava-misy na fitarainana amin’ny alalan’ny taratasy an-tsoratra. Maimaimpoana ny asan’ny mediatiora ho an’ny vahoaka mila azy.
MAHASOLO NY TRIBONALY SY NY FITSARANA VE ?
Tsy afaka miditra an-tsehatra amin’ny raharaha efa anaty dingana ara-pitsarana, ankoatra ny fanafainganana ny fitsarana kosa ny mediatiora. Tsy afaka mitsipaka ny zavatra efa notapahan’ny fitsarana. Tsy afaka hanana sata hitantana na hitsara raharaha, ary tsy manana endrika fanapahan-kevitra ara-panjakana, fa kosa afaka manome toromarika fanatsarana na “recommandation” mba hanajana ny rariny sy ny fahamarinana.
SEHATRA MARO ISIANA FITARAINANA
Raha toa ka 113 ny fitarainana tamin’ny taona 2018, dia niakatra ho 283 ny 2019, nihena 196 ny 2020, saingy nahatratra 474 tao anatin’ny herintaona farany, dia ny volana jona 2021 hatramin'ny volana septambra 2022, araka ny desambra lasa teo. Anisan'ny nahitana olana ny ady tany, ny fisotron-dronono sy ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa tsy miankina, ny olan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fitarainana amin'ny fanamparam-pahefana ataon'ny mpitandro filaminana, ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana, fandavana ny zon'ny olom-pirenena ary ny fihoaram-pefy, trosan’ny vondrom-bahoaka, trosan’ny fanjakana foibe, fanararaotam-pahefana,... Azo lazaina fa ny antsasa-manila no efa nahitana vahaolana ihany saingy arakaraka ny toe-draharaha satria mila fanadihadiana sy fitadiavana ny rariny sy ny hitsiny , raha ny fanazavan’ny Mediatoran’ny Repoblika Me Lala Ratsirahonana tamin’izany. Isan’ny noresahany tamin’izany ny tokony handikana amin’ny teny Malagasy ny lalàna satria ny tsy fahazoan’ny olona ilay lalàna izay tononina amin’ny teny Frantsay, ny didim-pitsarana mivoaka amin’ny teny Frantsay dia miteraka ahiahy tsy hihavanana.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.