Tsy voasakan’ny mpitandro filaminana nahazo baiko ny hisakana azy ny làlana satria novakian’ny olona. Teny amin’ny Seranam-piaramanidina Andaboly ny sakana voalohany, saingy tsy voasakana ny olona. Teo Sanfily ny sakana faharoa, izay tsy nifanaraka tamin’ny eritreritr’ireo mpanara-dia. Niditra an-kasahiana nanitsy teo amin’ny sakana I Marc Ravalomanana, ary nisy ny fifamaliana teo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana, saingy nilamindamina ihany. Filaharam-be niazo ny Magro no nentin’I Marc Ravalomanana sy ny vahoaka tao Toliara naneho, fa mbola manana ny tanjany ara-politika ary tian’I Toliara ity Filoha teo aloha ity. Toa hafa mihitsy ny fihetsik’I Marc Ravalomanana tao Toliara satria raha hiverenana ny tamin’ny desambra 2021 nanakanana ny famoriam-bahoaka nifandraika tamin’ny fanamarihana tsingerin-taonany, dia nisafidy ny hilefitra sy niova toeran-kafa, norarafana lakrimozenina,… Tsy nihemotra mihitsy kosa Ravalo omaly, izay nitondra hafatra fa tena vonona sy sahy, ary nilaza nilaza mihitsy, fa Dada 2002 izay manana fahasahiana sy hery no eto izao, hoy izy. Efa karazana fampiomanana ara-politika, fa hoavy masiaka I Marc Ravalomanana ary tsy hanaiky lembenana intsony, araka ny efa nambarany hatramin’izay.
“EFA I DADA 2002 IZAO”
Efa faheno nanomboka taorian’ny nanonganana azy tamin’ny 2009 ny hoe: “tsy hanaiky intsony”, “ampy izay ny fandeferana”, “hijoro hanavotra firenena isika”, fa sambany kosa no nahenoana an’ity hoe: “Efa Dada 2002” ity, izay toa mitory hafatra fa miverina tahaka ny heriny tamin’ny 2002 Ravalomanana, izay efa naneho fa vonona hitarika vahoaka. “Mafy izay nalehantsika izay, nisy sakantsakanana fa nisaotiantsika,… Mahita hevitra foana isika, aza matahotra na kely aza miaraka amin’I dada, efa nilaza aho fa i Dada 2002 izao, manana paikady sy “énergie”, efa niova dada, tsy hanaiky lembenana intsony, tsy hatahotahotra intsony miaraka aminareo, velomy ao anatinareo tsirairay ny fanantenana, iny dada hitondra fanovana, iny dada hitondra mofo sy vary”, hoy I Marc Ravalomanana tamim-pahasahiana. “Tonga soa eto Toliara ny filoha hajaina Marc Ravalomanana. Misaotra ny vahoaka ny Toliara tonga maro nitsena azy teny amin'ny seranampiaramanidina, ka niaraka nandeha dia tongotra namakivaky ny tanana ny Toliara. Vaky ny barazy noho ny hamaro ny olona, fa izany rehetra izany dia tao ampilaminana sy ampahendrena. Isika zatra manao zavatra manara-dalana. Pejy vaovao no misokatra. Toliara tonga saina”, hoy moa ny Kolonely Rabe Jules, Mpandridra sy mpitarika ny KMMR faritany Toliara. Naneho ny mpitarika ny RMDM any Toliara fa faly ny vahoaka ao Toliara na norahonana sy nosakanana tsy ho tonga aza I Marc Ravalomanana, saingy nasehon’I Toliara fa tia an’I Marc Ravalomanana izy. “Tokony handray lesona ny fitondrana fa efa ratsy ho azy izao. Efa tsy vahaolana intsony ny mpitondra fa mety aminy ny mametra-pialana”, hoy I Frérot L’Homme Noire. Sary politika sokajiana ho niavaka ny tao Toliara omaly, ka asa izay ho fihetsiky ny Fanjakana ankehitriny teo anatrehan’iny. Manomboka sarotra ho azy ireo ny mifehy sy manao don-tandroka an-dRavalomanana, izay tsikaritra ho naherihery fiteny sy fihetsika tato ho ato. Naneho ny fitokisany sy fanantenany amin’ity Filoha teo aloha ity kosa ireo mpanara-dia azy ao Toliara, izay naneho fa leo amin’ny zava-misy ankehitriny, ka tsy te hamerina ny Fitondrana ankehitriny ao anatin’ny 5 taona manaraka.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.