omaly ny sandan’ny vola eoropeanina na ny Euro. Hita ho niha nitontongana anefa ity vola eoropeanina ity tao anatin’izay ady nisy teo amin’ny firenena Rosianina amin’I Okrainina sy ny OTAN izay. Na eo aza izany dia io iaraha-mahita fa manafosafo ny 5000 Ariary io ny sandan’ny vola Euro, izay midika fa mihen-danja ny vola Malagasy (ariary). Mihen-danja satria be loatra ny famoahana vola vahiny amin’ny fividianana ireo entana afarana, tsy arakarak’izay anefa fa tena mbola ambany ny fanondranan’i Madagasikara entana. Mbola tena ambany ihany koa ny famoronana asa, kely karama ny ankamaroan’ny Malagasy hany ka misy akony eny amin’ny tsena sy ny fanjifana izany. Manao izay tsy hahafaty aloha no atao eto fa tsy miaina izany, hoy ny mpahay toekarena iray. Aiza ho aiza ao anatin’izany rehetra izany izany ilay resaka hoe efa mipaka isan-tokantrano ny fampandrosoana entin’ity fitondrana ity? Mbola tsy resahana akory ny fikaikaikan’ny olompirenena amin’ny fidangan’ny vidin-tsolika sy ny tsy fandriampahalemana mitombo sy ny fanambanan’ny JIRAMA hampiakatra 15% ny saran’ny fampiasana herinaratra ao anatin’izao delestazy izao. Fampandrosoana ho any amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka ve ilay resahana sa fampandrosoana loharanom-pahantrana hafa indray?
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny