airtel

Politique

08-juin-2023

Politique

Vehivavy TIM Analamanga Nanome fanampiana an’i Ninie Donia

Sample post image

Nanome fanampiana an’i Ninie Donia ny Vehivavy TIM Analamanga tarihan’ny filohany, Arphine Rahelisoa omaly. Ny 20 mey lasa teo, nanao hetsika ho fitadiavam-bola ny Vehivavy TIM Analamanga

08-juin-2023

tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana hoentiny miasa, sy ho fanomanana ihany koa ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM, hatao ny 1 jolay ho avy izao. Nandritra io fotoana io, nisy ny « téléthon » na tsipaipaika ho fanampiana an’i Ninie Donia nataon’ireto andriambavilanitry ny antoko Tiako i Madagasikara ireto, ka nahangona 300.000 Ar nandritra izany, ka io no natolotra an’i Ninie Donia izao, izay migadra tsy ara-drariny noho ny resaka politika any amin’ny fonjan’i Nosy-Be. Noho elanelan-tany, nalefa tamin’ny alalan’ny Mobile Money any amin’ny filohan’ny Vehivavy TIM Nosy-Be faritra Diana, Ramatoa Mariane izy io. Mbola hitohy izao tolo-tanana ataon’izy ireo ho an’i Ninie izao ho mariky ny firaisan-kiana amin’ity mpanakanto sady mpanao politika efa kandida ho depiote tao Nosy-Be tamin’ny lokon’ny TIM ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap