Miisa 1092 amin’ny 40 000 no vita, ary ny tena hanatrarana ilay 40 000 dia ao amin’ny Tanamasoandro no betsaka amin’io, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Atoa Gérard Andriamanohisoa. Ireo 1092 aza tsy dia hay loatra hoe: aiza avy ? Rehefa mipetraka ny fifanaraham-piaraha-miasa hananganana izany, dia manana anjara 5000 mahery sy SEIMAD (Société d’Equipement Immobilier De Madagascar) sy ANALOGH (Agence Nationale d'Appui au Logement et à l'Habitat). Nambara fa efa maro no nanolo-tànana antsika, fa ny olana eto Madagasikara dia ny iva loatra ny fahefa-mividin’ny olona. Ny trano izay vokarina ao anatin’ny fanaraham-penitra ka tafiditra amin’izay fahefa-mividy izay, dia vitsy ny mpisehatra tsy miankina mahasahy miditra amin’izany. Ho an’ireo miditra amin’ny “vente-location” dia tsy sahy miditra amin’ny findramam-bola amin’ny banky satria avo loatra ny tahan’ny zana-bola avy amin’ny banky tsy miankina. Izay no mahatonga ny Fanjakana hitady vahaolana amin’ny fanalefahana ireny “fond de garantie” dia ampindramina ny olona. Nambara anefa 170 000 ny olona mila trano, ka 70 000 amin’ireo dia Antananarivo avokoa. Rehefa zohiana, nahilika any amin’ny hoe: tsy fananan’ny Malagasy vola ahafahana manjifa azy izany ny tsy fahatanterahan’ny fampanantenana “50 000 logements” nataon’I Andry Rajoelina. Tena marina izany, ary tsy takona hafenina fa tsy manam-bola ny vahoaka. Fa moa tsy fantany ve izany nialohan’ny nanaovany fampanantenana? Izany ve tsy midika fa fampanantenana poakaty no betsaka, ary tsy nisy ny hoenti-manana amin’izany? Lasa ahilika any amin’ny fahantran’ny vahoaka Malagasy ny tsy fahatanterahan’ny fampanantenana sy ny velirano tany amin’ny propagandy. Ny karama farany ambany iaraha-mahalala fa 250 000Ar, ary 200 000Ar aza izany teo aloha. Mbola betsaka ny olona tsy misitraka an’io akory satria mbola lavitry ny 50% amin’ny mpiasa Malagasy no miasa amin’ny sehatra ara-dalàna. Ny vola aloa isam-bolana anefa 150 000 hatramin’ny 200 000Ar isam-bolana ao anatin’ny 15 na 20 taona. Iny aza mba izany, fa ilay etsy Ivato mahatratra hatrany amin’ny 800 000Ar isam-bolana. Asa hoe: tena natao ho zakan’ny sarambaben’ny Malagasy tokoa ve ? Fa ny tena mahatalanjona dia ny hoe : f’angaha tsy efa fantatra hatrany am-boalohany moa fa firenena mahantra anie i Madagasikara, izany hoe olona sahirana no maro an’isa eto ary tena ambany dia ambany ny vola miditra aminy isam-bolana ka tsy hahatakatra mihitsy izany hoe handoa 200 000 Ar isam-bolana izany, raha tsy hoe misy tosika na fanampiana hafa angaha.
Toky R
Hanao diabe ao amin'ny Place Trocadéro Paris, Frantsa ny sabotsy 9 desambra 2023
Hatramin’izao ny Federasionin’ny gadra politika na FEDEP dia mbola tsy manaiky ny maha filoham-pirenena
Raha nametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina talohan’ny nilatsahan’ny ho filohan’ny repoblika
Mametraka foana ny antoko politika Marina, hoy ny filohany, Désiré Ranaivoson,
Ny 15 desambra izao no hifarana ny fotoam-pivoriana ho an’ny solombavambahoaka.
Fanorolahy Antoko politika miezaka mijery hatrany ny tombontsoam-bahoaka ny antoko Fanorolahy,