airtel

Politique

06-avril-2023

Politique

Vely kanotan’ny iraisam-pirenena Hihemotra sa hiziriziry ny fitondrana ?

Sample post image

Masoivohona firenena matanjaka miisa 7 sy ny delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina no niara-nanasonia ilay taratasy maneho ny ahiahy goavana teo anatrehan’ny fepetra noraisin’ny Fanjakana Rajoelina amin’ny fandrarana ny hetsika politika an-kalamanjana.

06-avril-2023

Karazana vely kanota ho an’ny fitondrana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ireny, ary mety hiteraka sazy ho an’I Madagasikara. Ireo firenen-dehibe indray no nampahatsiahy, fa fototra iorenan’ny demokrasia ny fahafahana maneho hevitra malalaka, ary voasoratra mihitsy ao anatin’ny lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny 2010 fotoanan’ny tetezamitan-dRajoelina. Tahaka izany ihany koa ny PIDCP (Pacte International rélatif aux Droits Civils et Politiques) na fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zo sivily sy politika tamin’ny taona 1971, izay nosoniavin’i Madagasikara. Tahaka izany ihany koa ny filazan’ny iraisam-pirenena fa tsy tokony ho fepetra voalanjalanja sy tsy hisy tombo sy hala na fanavakahavana ny fandraisana fepetra. Raikitra ny adihevitra samihafa taorian’iny, ary ny tsikaritra dia nandeha ny karazana vono afo na fanodinkodinana saim-bahoaka (diversion) avy amin’ny Fanjakana izay namoaka haingana ny didy taratasy manambara ny didy fampisamborana ireo Tale Jeneralin’ny Jirama roalahy teo aloha. Raharaha efa tamin’ny jona 2021 ny resaka “prime” 1 miliara Ar teo mahasaringotra azy ireo ary ny iray aza voalaza fa efa miasa any Haiti, ny iray faharoa voalaza fa efa tsy eto intsony. Dia izao ve vao hoe: avoaka tampoka ny didy fampisamborana? Tsetsetsa tsy aritra iny, fa ny sary miseho eo anatrehan’ny iraisam-pirenena, dia mihatery ny làlan’ny Fitondrana Rajoelina, ary tsy sasatry ny midona amin’ny rindrina. Hihemotra amin’ny fanapahan-keviny sa hinia hiziriziry ny Fitondrana? Resahina indray izao ny hoe: manana ny fiandrianany I Madagasikara, tsy tokony hotsabahan’ny vahiny,… Marina izany, saingy manana vola feno ahafaha-manao fifidianana marina ve ny Fanjakana? Ny fampiodinan-draharaha eto aza manahirana raha tsy misy famatsiam-bola noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizantsika manome lanja ny harentsika hatreto. Ny fihetsika tahaka izao ataon’ny fitondrana Rajoelina izao anefa, dia mety hiantraika any amin’ny resaka famoaham-bola amin’ireo tetikasa tokony hositrahan’I Madagasikara, raha ny nambaran’ny diplaomaty iray omaly. Halefa araka izay saim-patatry ny mpitondra dia tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny fifidianana ary hifamango isika samy isika eto isika ve? Efa izao ny zava-misy vokatry ny tsy fahaiza-mitantana dia hovolena krizy hafa? Sa tetika tsy hahatongana amin’ny fifidianana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap