na avy aty atimo, hoy ny minisitra teo aloha sady filohan’ny antoko politika Virapin group, Virapin Ramamonjisoa. Tsy mijery ny disadisa eo amin-drizareo samy depiote IRD ny tenanay, hoy izy. Afera tokantranon-drizareo io ka izay indrindra no heverina fa tsy tokony hamingavingana ny fihaviana avy aty atsimo. Tsotra ny zavatra tsy hain’i ramatoa filoha lefitra, Joceline Maxime. Ny filohan’ny repoblika izay hoe raiamandreniben-drizareo ao amin’ny IRD na Mapar koa dia nilaza fa fatidrany ny faritanin’i Toliara, avy aty atsimo. Sao dia hanimba an’i prezida ny zavatra ataon’ny manodidina azy? Kanjo moa nampalahelo ahy ny naheno iny nambaran’i depiote iny. Mino aho fa mba solafaka angamba fa raha tsy izay dia mba mampitandrina ny tena hoe aza tonontononina izahay avy aty atsimo fa avy dia lazao izay ondrinareo mania! Aza viraviraina sy hitsahana an-tampon-doha ny zanak’atsimo! Manana ny hasiny sy ny maha izy azy ny zanaky ny atsimo. Amboarinareo samy IRD ao ny aferan-tokantranonareo fa aza miteniteny mikasika ny aty atsimo, hoy hatrany ny tenany! Naneho ny heviny koa moa ny mpanao politika sady mpandraharaha, Nini Augustine Razafindravola. Solombavambahoaka iny, raiamandreny, vehivavy, hoy izy. Aza mifaninana amin’ny ratsy ! Raha ohatran’ireny no hitondranao fampandrosoana dia malahelo aho amin’ny maha vehivavy mandray andraikitra. Heverina handamina, hitondra fandriampahalemana, hitondra lamina amin’ny disadisa misy ianao fa tsy ianao indray no hirongatra hanao fihetsika toy ireny. Reny ianao. Mitaiza ianao. Solombavambahoaka! Samy malagasy na atsimo na avaratra na andrefana na atsinanana na afovoany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany