airtel

Politique

15-nov-2023

Vondron'ny kandida

"Ataovy toy ny tsy misy io fifidianana io"

Sample post image

Nanamafy ny firaisankinan’ny kandida omaly tamin’ny alalan’ny fanambarana,

15-nov-2023

fa tsy hanaiky ny fifidianana feno hosoka hatramin’ny farany. « Tsy mifanaraka amin’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana, ka hamafisinay ny fandavanay ny fisian’ny fifidianan. Miantso ny vahoaka hihevitra ny fifidianana rahampitso ho toy ny tsy misy », hoy izy ireo tamin’ny alalan’i Hajo Andrianainarivelo. Tsy ara-dalàna, mitanila, tsy eken’ny herivelona rehetra, mety hiteraka fisaraham-bazana. Matoa izahay milatsaka hofidiana dia hitondra an’i Madagasikara fa tsy hitondra ampahan’olona, hoy ny Firaisankinan’ny kandida. Noho izany, mitohy foana ny hetsika, manohy ny tolona, mivoaka an-dalambe anio sy rahampitso, manohy ny hetsika efa natomboka iray volana mahery, tsy mijanona raha tsy tratra ny tanjona dia ny hisian’ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, hoy hatrany ny Firaisankinan’ny kandida. Tsy izahay irery ihany hoy izy ireo no miteny fa tsy mety io fifidianana io, fa ny Nonce Apostolique, FFKM, firaisamonim-pirenena marobe,… Notanisaina ny tsy fahatomombanana maro, izay hitam-poko hitam-pirenena fa ny fandefasan’ny CENI ny taratasy samihafa, dia loza mitatao, tsy tonga any amin’ny toerana, feno hosoka, anaty olana tanteraka, hoy ny kandida Roland Ratsiraka. Ny CENI dia lazaina fa mahaleotena kanefa miankina tanteraka amin’ny Fanjakana, mampiasa ireo «agents de l’Etat», vitsy ny vata mangaraharaha,… vao mainka manamarina fa tsy azo ekena ny fifidianana amboletra, hoy hatrany izy ireo. Ny baiko omen’ny Praiminisitra sy ny Jeneraly Ravalomanana dia hoe fantatray fa tsy ampy vola, kanefa tsy maintsy manao izay hanaovana izany na inon-kidona na inon-kitranga, hoy hatrany ireo kandida. Nampahatsiahy ny tonia mpampanoa lalàna mba hijery ny fitoriana momba ny fanimbana fananan’olona, ny fandratrana olona nataon’ny mpitandro ny filaminana,… ihany ko aizy ireo, ary niantso ny tsy hanajanonana ny fitanilana. « Raha ohatra ka tena hampihatra lalàna marina dia tsy tokony hitongilana, ary aoka hatsahatra ny fampitahorana safobemantsina. Zonay ny tsy fankasitrahana ny fifidianana, ka tsy azo henjehina amin’izany. Ny tantara no hitsara, ary izay tsy voatsaran’ny lalàna eto, mbola hotsaraina any an-danitra. Betsaka ny fandikan-dalàna, toy ny fanerena ny mpiasam-panjakana. Tsy heno mihitsy ny tonia mpampanoa lalànan milaza fa ny lalàna 2018-008 dia milaza fa mahavoasazy ny fividianana vato, tsy fampidirana ny olona anaty lisi-pifidianana,… », hoy ny kandida Hajo Andrianainarivelo. Raha ny tatitry ny Vondron’ny kandida moa, dia miisa 11 ireo olona nalefa any am-ponja tsy ara-dalàna, manodidina ny 50 ireo naratra ka anisany ny mpanao gazety.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap