amin’ny hotely Astauria Antanimena ny sabotsy 12 novambra 2022 teo ambany fitarihan'ny Vondrona politika hafa miray na V.P.H.M dia mamoaka izao fehin-kevitra manaraka izao, hoy ny fampitam-baovao voaray. Manamafy ny tsy maintsy hanatanterahana maika ny fikaonandoham-pirenena handraisan'ny foko rehetra sy ny herivelona misy eto amin’ny firenena anjara. Faharoa ny fampidirana ao anaty lahadiniky ny fikaonandoham-pirenena ny lalampanorenana sy lalam-pifidianana ary ny fiainam-pirenena. Fahatelo ny fampivondronana ny herivelona rehetra mankasitraka ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Fahaefatra ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fanorenana ifotony an'i Madagasikara. Fahadimy, hijoro hatramin’ny farany hitady vahaolana hanavotana ny firenena. Fahaenina, fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena mba ho antoky ny fitoniana ary takian'ny mpizaika ny famoahana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika any am-ponja. Nisy ny vaomiera manokana hisahana ny fihaonana amin’ireo herivelona rehetra ka atomboka amin'io herin'andro io izany fihaonana izany hampivondronana ny hery hirosoana amin’ny fanavotana ny firenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,