sabotsy teo. Namoaka fanambarana ny Vondrona politika G5 fa : manameloka ny fampiasan-kery sy fandatsahan-drà natao tamin’ireo vahoaka maneho hevitra am-pilaminana, indrindra fa ny fampiadiana ny samy Malagasy toy ny niseho teo amin’ny Conforama ; mankahery ireo vahoaka naratra mafy vokatry ny herisetran'ny zandary, indrindra fa ny fandratrana mpanao gazety manao ny asany ; mankahery ny mpitolona rehetra indrindra fa ireo Collectif des candidat mpitarika ny tolom-bahoaka mba hijoro hatramin’ny farany ary hanohy ny tolona. Noho izany, ny vondrona politika G5 dia vonona ny hanome tànana ny collectif des candidats ary hitondra ny traikefany hanatsarana ny tolona iombonana, hoy izy ireo. Nanamafy izy ireo fa ilaina ny fifampihainona sy fifanakalozana traikefa. Tsara no mampahatsiahy, fa antoko sy vovonana maromaro no mandrafitra an’ity G5 ity, toy ny Hiffim, ny HVM, ny RMDM, ny VPHM, ny Vondrona Panorama :
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,