tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Vondrona politika hafa miray “Tsy mbola hamory mpanao politika ny FFKM”

Tsy dia misy ho antenaina amin’ireo fihetsiketsehana politika na fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana miseho amin’izao fotoana izao, hoy ny Vondrona politika hafa miray na VPHM.

16-mars-2023

Sample post image

Raha mivoy, hoy ny filohan’izy ireo, Marcellin Razanakoto, ny herivelona maro hoe fikaonandoham-paritra sy fikaonandoham-pirenena aloha no tokony ho laharam-pahamehana amin’ity dia tsy miraharaha firenena izany ireo olona manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ireo fa ny himatimatesany dia hoe ahoana indray no haha lany ahy. Tsy ho raharahiany mihitsy ny rafitra misy izay efa tsy mampety ity firenena ity. Hiazakazaka mafy angamba izy hahazo fitondrana dia handova. Nifampiresaka tamin’ny tonian’ny FFKM izahay hoe ahoana ny mikasika ny 29, 30, 31 martsa izao? Namaly mazava ireo fa tsy mbola hamory mpanao politika. Tsy mbola mieritreritra ny daty hitarihany fikaonandoham-pirenena. Mbola ny FFKM miisa 35 manerana ny nosy no hivory amin’io 29, 30, 31 martsa io. Ho dinihina ao anatin’izany, hoy ny tonian’ny FFKM, ny raharaham-pirenena. Mety hitarika fikaonandoham-pirenena izy any amin’ny volana aogositra. Hitanay hoe mety ho tara izany satria ny fifidianana efa akaiky. Raha andeha volana aogositra tsinona ny fikaonandoham-paritra ny volana aogositra dia mbola hiakatra eto Antananarivo indray ny fikaonandoham-pirenena. Mbola hisy indray ny fijerena komity mpandrakitra an-tsoratra sy fandaniana io lalana io. Manao ahoana izany ny fandaharam-potoana enjehana amin’izany? Ny fanadiovana ny tokontany ilalaovana aloha no ilaina vao milalao satria ny fikaonandoham-pirenena ao anatin’ny lalampanorenana izay ho laniana amin’ireo fotoana ireo dia tokony hipetraka ara-dalana ny lalam-pifidianana hahafahan’ny rehetra mirotsaka fa tsy anavahana hoe ireto manam-bola dia ireto tsy manana. Raha andeha amin’izany aogositra izany anefa ny fikaonandoham-pirenena ka hametra-pialana ny filoham-pirenena dia tsy ho tafavoaka intsony ny lalampanorenana. Tokony tsy ho tara ny volana may ny fikaonandoham-pirenena, hoy hatrany ny VPHM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus