airtel

Politique

17-nov-2023

Vondron’ny kandida

« Tsy hijanona ny tolona, miantso ny sivily sy miaramila»

Sample post image

Nanamafy ny vondron'ny kandida tao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly takariva,

17-nov-2023

fa voaporofo izao fa natao amboletra sy barofo ny fifidianana filoham- pirenena natao io 16 novambra io. Maha te hidera anefa, hoy izy ireo, ny fahamatorana ara-demokratika izay nasehon’ny vahoaka. « Tsapan'ny Malagasy tanteraka fa tsy madio ary tsy tomombana ny fifidianana natao amboletra sy barofo sy tsy nandraisan'ny rehetra anjara, ka dia nipetraka tany an-tranony ny ankamaroan'ny olom-pirenena, araka ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ny mpifidy ambany indrindra teto amin'ny tantaran'ny fifidianana nisy teto Madagasikara, raha ny tarehimarika vonjimaika avy tamin'ireo mpanaramaso ny fifidianana no jerena », hoy ny Vondron’ny kandida. Very tanteraka, hoy hatrany izy ireo, ny fitokisan'ny Malagasy maro an'isa ny fitondrana ankehitriny sy ny olona efa tsy Malagasy intsony terena ho lany: very tanteraka ihany koa ny fitokisany ny Andrim-panjakana rehetra izay tafiditra amin'ny fikarakarana ny fifidianana, voalohany amin'izany ny Fitsarana Avo momban'ny Lalam-panorenana sy ny CENI ary ny Governemanta. Hamafisina hatrany fa tsy mitondra afa-tsy fahasahiranana sy takaitra hoan'ny firenena sy ny taranaka ny barofo sy amboletra. « Tsy misy afa-tsy ny fifidianana madio no mitondra fifandimbiasam-pahefana sy fahamarinan-toerana, izay antoky ny firoboroboan'ny toekarem-pirenena ka hitondra fiainana tsaratsara kokoa hoan'ny Malagasy ary hoentintsika hamelana firenena vanona hoan'ny taranaka, ary mbola mitaky ny hirosoana amin'izany ny vondron'ny kandida », hoy hatrany izy ireo. Namaranana io fanambarana io ny hoe : « miantso ny olom-pirenena rehetra sivily sy miaramila, ny herivelona rehetra hijoro handray ny andraikitra tandrify azy sy ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara hanampy feno amin'izany fikatsahana fifidianana madio izany. Maneho ny fisaorana ny vahoaka Malagasy rehetra tamin'ny fanehoana firaisankina Manamafy izahay fa tsy maintsy hitohy ny tolona ary tsy hijanona isika raha tsy tratra ny tanjona ». Samy miandry ny ho fizotry ny tantara sy ny ho endrik’izay fitohizan’ny tolona izay noho izany ny rehetra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap
13-mars-2025

Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo

Card image cap
13-mars-2025

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

Card image cap
13-mars-2025

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

Card image cap
13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

Card image cap
13-mars-2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

Card image cap