airtel

Politique

11-oct-2023

Vonona handray fahefana

ny Filohan’ny « Sénat »

Sample post image

Tandindonin-doza ny firenena, tena mila fifidianana madio isika”

11-oct-2023

Misintona ny taratasy izay nalefany teo aloha ny 08 septambra izay nilaza ny fandavany ny fandraisana ny fahefana tamin’izany, ka nanamafy fa noho ny tsindry sy fandrahonana natao azy dia voatery nanao an’ireny. Lasa olana eo amin’ny firenena ny nandavany izany, ka ho an’ny tombotsoan’ny firenena, hoy izy, dia vonona ny handray ny andraikitra maha Filoham-pirenena mpisolo toerana azy, araka ny taratasy napetrany tao amin’ny HCC omaly. “Io ny lalàna fa ny zava-misy eto amin’ny Firenena no tsy maintsy banjinina, fantatry ny eo anivon’ny HCC izany fa tandindonin-doza ny firenena, miditra amin’ny krizy,… ka mijoro ho Raiamandreny mba hanavotana ny firenena ka anjaran’ny HCC ny mandinika. Ny zavatra katsahintsika, hoy izy, dia ny hisian’ny fifidianana tena madio, ka miantso ny HCC hamaly faran’izay haingana ny tenany. Matoa mametraka an’izao dia maro ny fifampidinihana natao tamin’ny hery politika maro, ary efa mahalala an’io fanapahan-keviny io ny FFKM”, hoy ny ampahan’ny fanazavany. Tetsy andaniny, namoaka fanambarana tsy misy fitombokase ny governemanta iombonana milaza fa mpandainga sy mpanakorontana Atoa Herimanana Razafimahefa. Niparitaka ihany koa moa omaly ny horonam-peo voalaza fa avy amin’ny vadina minisitra iray teo aloha izay amin’ny ambangovangony, dia fikasana hanapoizina hamonoana ity Filohana andrim-panjakana ity amin’ny poizim-boalavo. Matoa aho nandefa ny zanako vavy vao 15 taona ny voalohan’ny septambra teo, dia misy antony, ka aleo atao resaka samy olon-dehibe eo anatrehan’ny filazana fa lainga. Mbola misy sahy miniana fa tsy marina ny nolazaiko, kanefa dia olom-panjakana ambony eto amin’ny firenena no tonga nanery ahy hametra-pialana tsy ho loholona sy tsy ho filohan’ny antenimierandoholona ary efa nofaritana aza hoe: any Allemagne, hoy izy. Ny tenako mihitsy no manelingelina ny sasany ka misy zavatra kononkononina ratsy ao matoa aho manelingelina, hoy hatrany izy. Raha raisina amin’ny fanambaran’Atoa Herimanana Razafimahefa, dia tena nisy ny fanonganam-panjakana na “Coup d’Etat” ary vao mainka mihamafy ny tsindry miantefa amin’ny governemanta napetrak’I Andry Rajoelina izay marihina fa efa hatramin’ny desambra 2022 no tsy marin-toerana noho ny fitsipaham-pitokisan’ny depiote ary io indray no miseho. Hangotraka ity politika ity!
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap