airtel

Politique

11-août-2022

Politique

Vovonana JPRM “Hafahafa ny fanambaran’ny GEN”

Sample post image

Ny vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana na JPRM dia tena manara-baovao ary mijery sy miaina ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara, hoy ny mpikambana ao aminy, Rivellino Ravelomahazo. Hitanay, hoy izy,

11-août-2022

ireny fanambaran’ny GEN (Groupe des Experts Nationaux) na vondron’ireo manam-pahaizana eto amin’ny firenena ireny. Tsy hainay na manara-baovao ireo olona ireo na tsia fa vao nanomboka izao fitondrana izao dia izany “budget d’austérité” izany na politikan’ny fitsitsiana, tamin’ny alalan’ireo “contrat programme” na fifanarahana ombana tetikasa nampanaovina ireo minisitra no nimasoan’izao fitondram-panjakana izao. Tonga aty amin’ny 2022, 3 taona aty aoriana, dia nilaza indray fa hampiharina ny “budget d’austérité”. Ny famaritana an’io angamba no tsy azon’ny olona ao anatin’ny GEN nefa dia hitako ho tena misy olona manam-pahaizana ao saingy hampitenenina koa angamba fa minia tsy mijery ny fahamarinana misy eto amin’ny firenena. Raha ireo fitakian-drizareo izany no atao. Ohatra hoe amidy ny fiaram-panjakana na tsy ampiasaina ny karatra fanilo na “ticket carburant” an’ireny minisitera ireny dia inona hoy isika mpanara-baovao no ho fiantraikany? Voalohany aloha tsy ara-dalana ny fanapahan-kevitra toy izany satria ny fananam-panjakana dia sady tsy azo amidy no tsy azo omena olona. Mifanohitra tanteraka amin’ny etika repoblikanina sy sata repoblikanina noho izany no takian’ny GEN. Miteraka tsy fahombiazana, hoy izy, ny fitokanana, fandaniam-bola fahatany. Tafiditra ao anatin’ny fitantanam-panjakana ny lanonana ofisialy. Handray ambasadaoro na ampahafantatra amin’ny vahoaka ny zava-bitanao ve ianao dia tsy hamoaka vola? Hafahafa ary mifono ny antsoina hoe “paralysie de l’administration” na tsy fahafahan’ny fitondrana mihetsika ny tian’ny GEN ahatongavana amin’ny fanambarany. Rehefa tsy afa-mihetsika ny fitondrana dia malemy ary mety hiongana ho azy, hoy hatrany ny JPRM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap