Efa nilaza izahay, hoy izy, fa tsy maintsy handray anjara amin’ny raharaham-pirenena na iza mampiantso. Na sehatra anatiny io na iraisampirenena. Mijery ny fahitan’ny mpanao politika rehetra sy ny fiangonana ny raharaham-pirenena izahay hahafahana manapa-kevitra. Mba manana ny hetahetany koa ny vahoaka mpikambana ao aminay izay ahitana fikambanana sy antoko politika maro. Mitaraina manoloana ny olana eto amin’ny firenena ankehitriny ny vahoaka ary tsy tokony ho jeren’ny tomponandraikitra fotsiny izany fa maika ny vahaolana. Ny olan’ny JIRAMA izany fara faha keliny tokony lazaina hoe inona no tena olana fototra? Hiafara amin’ny fikorontanana ny olana raha avela amin’izao. Mety hitroatra ny vahoaka rehefa tsy mahazaka. Mino aho fa tsy misy manana tombontsoa amin’izay anefa isika ka adidin’ny tomponandraikitra no mamaha ny olana. Fototry ny fiainana izany rano izany. Tokony ho vahana ao anatin’izao ora itenenako izao izany olan’ny rano izany. Ny jiro mety afaka andeferan’ny olona ihany fa ny rano tena mila vahaolana miaraka amin’ny vava. Miankina tanteraka amin’ny JIRAMA ny fampandehanana ny sosialy sy toekarena eto amin’ny firenena. Tsy tokony ho tapahana mihitsy na aiza na aiza eto amin’ny firenena izany jiro sy rano izany. Mikasika ny fifidianana moa efa namoaka iny ny governemanta ka misokatra ho an’ny rehetra izahay. Zon’ny olona rehetra ny mirotsaka ary zon’ny vahoaka ny mifidy izay tiany. Afaka ifampiresahana daholo ny antoko politika rehetra, ny FFKM, ny governemanta mba hisian’ny fifidianana araka ny tokony ho izy. Tsy afaka hitondra samirery ny fiainam-pirenena ny Lay FAR fa mila mifampiresaka ny rehetra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby