Tsy nisy ra very maina teto amin’ity Madagasikara ity na tamin’ny 1947 na 1972 na 1991 na 2009 fa ireny dia mbola hitsangana hiapanga izay nandatsa-dra tamin’izany, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo Jerry Rakotoarijaona, fa ho zezika hampiroborobo ny fandrosoan’i Madagasikara. Tsy ra latsaka intsony no ilaina fa fitiavan-tanindrazana satria fitiavana no lehibe indrindra. Ny filazana hoe latsaka an-katerena tanteraka ny firenena, angamba tsy dia izay loatra fa mandalo fahasahiranana tahaka ny firenena rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao dia eo am-panarenana isika. Ny vina nifanaovan’ny filoham-pirenena tamin’ny vahoaka moa mbola eo, hoy hatrany ny JPRM, ka eo am-panatanterahana ny rehetra isika.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,