Fahatelo, tsy maintsy misy fifidianana amin’ny tanin’ny repoblika raha hanaraka lalana demokratika isika. Izay 3 izay no misavorovoro satria tsy mandeha ny ankapoben’ny raharaham-pirenena. Avy amin-janahary ny fahefana fa tsy ity olona rehetra ity hatramin’izay manaiky hanasonia 40 miliarana “Bonbon sucette” no ataonao hoe “cerveau”. Mahatsiaro ho menatra sady afa-baraka ny mpanao politika rehetra manoloana ireny. Tsy nisy tolona natao teto hoe tsy hampandroso firenena nefa inona no vokany hatramin’izao? Dakan’izay mahazo fahefana foana izay niara-nitolona taminy. Voadaka izahay tamin’ny 2002, Voadaka tamin’ny 2009, izao fitondrana TGV mihitsy. Mila famelan-keloka, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena, tokoa izany. Nahatsapa tena izany izy. Miandry ny filoham-pirenena hahatsiaro anay mihitsy izahay io! Ny mpisoloky politika izao no mahazo toerana. Androany izy TIM. Rahampitso izy TGV. Rahafakampitso izy HVM fa I Zakahely Boniface tsy mbola nanana antoko ankoatran’ny AREMA. Tsy misy afa-tsy fifampiresahana no vahaolana satria efa mihombo ilay tsy fahaiza-mitantana. Tsy mahazaka fanjakana io praiminisitra Ntsay Christian io. Hiresaka amin’olona aza tsy vitanao ka ahoana no ahafahanao mitondra firenena? Mba tsy hisian’ny ra mandriaka sy faty olona indray dia aleo mifampiresaka. Tsy mbola nisy mpanao politika lany filoham-pirenena teto ary izay no mahavoa an’io firenena io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny