mikasika ny firehana liberaly, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Zava-doza mitatao ho an’ny filaminan’izao tontolo izao sy ny hoavin’ireo firenena toa an’i Madagasikara izany, hoy izy. Ireo mpitondra firenena matanjaka eto amin’izao tontolo izao toa an’ny filoha amerikanina Donald Trump, ny filoha rosianina Vladimir Poutine, ny mpitondra sinoa Xi Jinping, ny filoha tiorka Recep Tayyip Erdoğan ary ny praiminisitra Narendra Modi izao no misongadina eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny asa sy hafatr’izy ireo amin’ny tambazotran-tserasera dia maneho fa nasionalista na tia tafahoatra ny tanindrazany izy ireo. Tsy manome lanja loatra ireo rafitra natsangana tanaty fitsipika ireo. Ny firenena toa antsika eto Madagasikara no ho voa mafy ao anatin’izany kanefa efa misedra olana ara-tsosialy sy toekarena. Fotoana izao, hoy hatrany ny tenany, tokony hitodiana any amin’ny politika miaro ireo harena voajanahary hananantsika mba tsy hianteherantsika lava izao amin’ireo fanampiana avy any ivelany.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,