Zaza Ramandimbiarison. Mitoetra ny fahantrana ary tsy zarizary ny fomba fitantanana ny firenena, hoy izy. Isan’ireo firenena farany mahantra eto an-tany isika manoloana izao fiovan-drafitra ara-toekarena manahirana izao. Miseho lany nefa ny mizàna tsindrian’ila eto amin’ny firenena. Mitombo hatrany ny trosan’ny firenena. Voafetra ny tetibola. Ny olana ara-tontolo iainana sy ny politika iraisampirenena koa eo. Manampy trotraka ny fihazakazaky ny fivoaran’ny tekinolojia izay tsy maintsy arahina amin’ny onjany, ny krizy ara-pahasalamana, ny loza voajanahary izay mbola mampitombo ny olana efa tena manempotra eto amin’izao fotoana izao. Rehefa tsy ho ataontsika ny fanarenana ifotony sy lalina ny fomba fitantanana ity firenena ity miaraka amin’ny fanarenana ara-toekarena dieny izao dia ahiana tanteraka ny hoavina malagasy an-tapitrisany maro, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,