Tsy mety intsony ilay politika “serasera be fa vokatra kely”, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Saika isan’andro vaky izao dia misy “réalisation” na fanatanterahana, fitokanana, fanambaràna, sary sy propagandy ataon’ireo mpitondra amin’ny anaran’ny “refondation” etsy sy eroa. Fa rehefa dinihina tsara, betsaka amin’ireo tetikasa lazaina ho “zava-bitan’ny fitondràna” no efa nokarakaraina sy novatsian’ny Banky iraisampirenena, BAD, Vondrona eoropeanina, ONU sy ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany hatramin’ny taona maro lasa. Tsy avy amin’ity taona ity izany. Tsy ratsy akory ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka. Izany aza no ataon’ny firenena rehetra. Ny tena olana dia hafa lalina kokoa dia ny volam-bahoaka satria ireo serasera, propagandy, sary sy fanentanana rehetra ireo dia tsy maimaimpoana. Vola avy amin’ny tetibolam-panjakana, izany hoe volan’ny malagasy, no ampiasaina amin’izany ary matetika miliara Ariary maro no lany amin’ny fananganana sary sy fanohanana ny endriky ny mpitondra fa tsy amin’ny fanatsaràna mivantana ny fiainan’ny vahoaka. Ny fanontaniana lehibe dia hoe aiza ny vina mazava ho an’i Madagasikara? Aiza ny stratejiam-pirenena? Aiza ny praograma azo refesina? Aiza ny tanjona sy tetiandro azon’ny vahoaka arahina? Nisy ve izany rehetra izany tamin’ity fitondran’ny “refondation” ity? Tsia no valiny. Hoviana no nisy mpitondra nampiseho tamin’ny malagasy hoe izao no drafitra 10 na 20 taona, izao no laharam-pahamehana nasionaly, izao no vokatra andrasana ary izao no fomba handrefesan’ny vahoaka azy? Saika tsy misy ary raha misy dia vitsy dia vitsy dia miverina foana ilay fomba politika taloha toy ny sary be, kabary be, fampanantenana be, propagandy be fa fandraisan’andraikitra sy vokatra tena izy zara raha hita. Tsy amin’ny takelaka goavambe na ranty amin’ny Facebook isan’andro na serasera politika mandany volam-panjakana no hampandrosoana firenena. Ny firenena mandroso dia manana vina mazava, rafitra matanjaka, fitohizan’asa ary kolontsain’ny famokarana sy fandraisana andraikitra. Mendrika tsara kokoa noho izao ny vahoaka malagasy ka ny fanontaniana lehibe dia hoe mbola hanao “copier-coller” an’ilay politika efa nampahantra antsika am-polony taona ve isika? Sa tena sahy hanangana politika vaovao mifototra amin’ny fahaiza-manao, fandraisan’andraikitra ary vokatra? Enga anie ary hantenaina fa ny fikaonandoham-pirenena dia hamaly amin’ny fomba matotra io fanontaniana io, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Fotoana hanehoan'ny Malagasy firaisankina