airtel

Actualités

22-mars-2021

Actualités

3 lahy nanao ny trafikam-bolamena «Na ho aiza na ho aiza tsy maintsy miverina eto”

Sample post image

Ny andro nivoahan’iny dia 31 desambra, niniana natao satria teo no neritreretina hoe tsy miasa ny minisitra, ny filoha,…

22-mars-2021

 

 

Ny resaka fiaingana iraisam-pirenena tahaka ireny dia eny Ivato fa tamin’iny tany Toliara vao natao ny pitsopitsony rehetra. Tsy fanao mihitsy, ary n any Filoha aza dia eto Antananarivo no atao ny “formalité”. Efa nanome baiko aho hoe na iza na iza dia tsy handeferana, hoy I Andry Rajoelina. Nilaza ho efa niteny tamin’ny ekipany hoe jereo io, fa raha tsy tafaverina eto, dia “echec” na tsy fahombiazana ho an’ny minisitra Tompon’andraikitra sy ny Fanjakana. Ny tanjona dia ny famerenana ny volamena sy ny fanakatonana dosie. Efa notorian’ny Fitondrana Malagasy ilay orinasa Parpia Gold izay nividy entana antsokosoko. Hisy fanesorana minisitra tompon’andraikitra ve raha toa ka hiharihary ary ny tsy fahombiazana ao anatin’io fanamby famerenana io? Nanao izay ho afany ilay orinasa, fa ny tsy fantany dia nitory ny Fanjakana. Na aiza na aiza alehany, dia tsy maintsy miverina eto Madagasikara ireo telolahy ireto, hoy Andry Rajoelina. Miandry ny hiveren’izy telolahy mba hoentina eo anivon’ny tribonaly izy telolahy. Betsaka ny mpandraha tsy mamerina ny “devise”; ny olona rehetra nanondrana volamena tao anatin’ny 5 taona lasa dia tsy nampody ny vola avokoa. Nojerena daholo ireo mpanondrana. Misy orinasa nanondrana 714kg tamin’ny volana mey 2019, misy orinasa nanondrana 1 taonina mahery,… Tsy hamelan’ny fitondram-panjakana io, ary tsy maintsy hatao ny “rapatriement de devise”. Izaho no sahy nilaza voalohany indrindra tamin’ny Malagasy hoe ireto orinasa ireto ny manondrana sy tsy mamerina vola. Diso ny filazana fa misy mpitondra, raha misy izany dia manao taratasy ara-dalàna fotsiny izy dia mivoaka malalaka, fa matoa tratra ity dia antsokosoko, hoy i Andry Rajoelina.

Toky R

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Tontosa ny Sabotsy 27 aprily teo, tetsy amin’ny efitranon’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM)

Card image cap
30-avril-2024

Mihasarotra andro aman’alina ny olana mianjady amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao.

Card image cap
29-avril-2024

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

Card image cap
29-avril-2024

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

Card image cap
29-avril-2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

Card image cap
29-avril-2024

Misy namana mpiara-miasa tamiko, lehibeko, hoy ny mpanolontsain’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo

Card image cap