airtel

Actualités

05-déc-2025

6 nohelohina noho ny

« bonbons sucettes » 8 miliara

Sample post image

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

05-déc-2025

Nivoaka mangingina teny amin’ny Fitsarana heloka bevava ao amin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny didy henjana mikasika ny raharaha « bonbons sucettes » mitentina 8 miliara Ar tamin’ny andron’ny covid-19. Ramatoa iray Norolanto Ratsimbazafy, fantatra amin’ny anarana hoe Noro, mpamatsy manana laza ratsy amin’ny kolikoly, no voaheloka higadra 10 taona an-tranomaizina sy handoa lamandy 50 tapitrisa ariary noho ny fikasana hanodinkodina vola sy ny asa kolikoly nataony, raha ny tatitra nivoaka tamina fampahalalam-baovao iray.Afera niompana tamin’ny fividianana vatomamy mitentina 8 miliara ariary nataon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny andron’i Rijasoa Manana. Nisy koa fifanarahana hafa momba ny savony sy « bidon » mitentina 5 miliara ariary izay mbola eo ambany fanadihadiana, raha ny voalaza tao anatin’ny filazam-baovao. Na izany aza, tsy nisy vola nivoaka avy amin’ny ministera, na dia efa nisy aza ny vokatra nalefan’ireo mpamatsy. Tsy nisy tamin’ireo voampanga valo sy orinasa roa tafiditra tao amin’ny raharaha no tonga nanatrika. Na izany aza, namoaka sazy henjana ny fitsarana: Noro: 10 taona an-tranomaizina sy lamandy 50 tapitrisa ariary. Talen’ny Paositra malagasy teo aloha: 3 taona an-tranomaizina saingy mihantona, sy lamandy 3 tapitrisa ariary. Mpanolotsaina ara-teknika tao amin’ny ministera: 5 taona an-tranomaizina sy lamandy 40 tapitrisa ariary. Olona telo hafa: 7 taona an-tranomaizina sy lamandy 40 tapitrisa ariary avy. Nampahatsiahivin’ny fitsarana fa tsy nisy vola 13 miliara ariary navoaka tao amin’ny ministera, na dia efa nisy aza ny vokatra nalefa. Nanasongadina ny fomba fanao mampiahiahy amin’ny fanomezana tsenambaro-panjakana ny Fitsarana, ary nanatsikafona ny fanabontsinana ara-bola ka ny vatomamy izay tokony ho 90 ariary ny vidiny dia nampiakatra ho 300 ariary, mba hahafahana manarona ny vola 8 miliara ariary, raha ny tatitra.
ANDRASANA IREO AFERA MARO…
Ampahany tamin’ireo raharaha lehibe nahiana ho nisy kolikoly goavana tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina io, fa mbola betsaka ireo raharaha hafa andrasan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Anisan’nireny ny raharaha maro nandritra ny covid-19 izay nisy efa nanaovan’ny Cour des comptes tatitra ny raharaham-pitantanana maro ; ny afera écrans plats mahasaringotra minisitra teo aloha lasa depiote ; ny fanodinkodinam-bola tamin’ny covid-19 izay nisy fanilihana vola nakany amin’ny fikambanana ana vadina mpitondra ambony tamin’izany fa nezahina nafenina sy nampanginina ; ny trafikana volamena nampiteny ny moana ny tatitra iraisam-pirenena toy ny 6,8 taonina niondrana tany Dubaï sy Firenena arabo hafa raha ny tatitry ny Sampan-draharaha mikasika ny raharaha ara-toekerana teo anivon’ny Firenena Mikambana ; ny raharaha Gemfields nisamboran’ny Fanjakana Britanika ny Tale Kabinetran’ny Filoha teo aloha tamina kolikoly avo lenta mikasika fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay nanaratsy endrika an’i Madagasikara tamin’ny mpiara-miombon’antoka ; ny raharaha fandoarana vola tao amin’ny CNaPS izay efa misy ampahany mandeh ; ny raharaha tranoben’ny kolontsaina tany Menabe izay nandaniana volam-panjakana kanefa nirodana,... Ampahany ihany ireny fa betsaka ireo afera maloto izay nanamaloka tanteraka ny Firenena, anisan’ny mametraka antsika ho aty amin’ny laharana faha-140 amin’ny Firenena 180 amin’ny ady amin’ny kolikoly. Mbola vary mangatsiaka tsy mety tafavoaka hatramin’izao ireo dosie manodidina ny 14 tsy mety tafavoaka ao Tsimbazaza mba hotsarain’ny HCJ (Haute Cour de la Justice)
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap