voarohirohy, efa misy ny migadra
Misy ny vokatra ary azo tsapain-tanana ny ady amin'ny hosoka ataon'ny "Agence Nationale Anti-Fraude" (ANAF) izay manana andraikitra hisoroka, hamantatra ary hanafoana ny hosoka sy ny fisolokiana manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. "Efa misy olona nigadra ary maromaro ny orinasa voarohirohy hatramin'ny nitantanako ny ANAF" hoy ny Jeneraly Charles Andrianasoavina, Tale jeneralin'ny ANAF. Isany vokatra azon'ny ANAF ny nahatratrarana vato sarobidy miisa 117 mitentina amina miliara teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, saika haondrana teratany sinoa ny 20 oktobra 2026. Fiaraha-miasa teo amin'ny Ladoany sy ny ANAF no nahafahana nanakana io fikasan-dratsy io. Nidina teny an-toerana mihitsy moa ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël, tamin'io andro io mampiantso fivoriana maika niarahana tamin'ireo tompon'andraikitra sy ny mpisehatra rehetra eny amin'ny seranam-piaramanidina manoloana ny trangana kolikoly miseho matetika eny an-toerana. Ankoatra ny toromarika nomeny amin'ny handraisana fepetra amin'ireo mpiasa tsy manara-dalana, fototry ny gaboraraka eny amin'ny seranam-piaramanidina dia nanambara ny filohan'ny Fanavaozana tamin'io fivoriana io fa tsy tokony hangataka amin'ny Tahirimbola Iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena izany i Madagasikara raha manao ny asany tsara ny tsirairay. Notsiahiviny fa mitentina 6 lavitrisa dolara ny trosan'i Madagasikara, nefa 10 lavitrisa dolara no vola miditra amintsika amin'ny alalan'ny "rapatriement de devises" azontsika anaty taona iray monja raha atao manaraka ny ara-dalàna ny famoahana volamena. Raha voafehintsika ireo, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana, dia tsy tokony hitrosa sy tsy tokony hobaikon'ny mpamatsy vola intsony isika, ary koa tsy tokony ho sarotra amintsika ny manamboatra foto-drafitr'asa toy ny lalana, ny hopitaly, sns.
STRATEJIKA
Ny Didim-panjakana laharana faha-2021-1450 noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin'ny Janoary 2021 no nananganana sy mamaritra ny iraka tanterahin'ny ANAF. Ny volana Febroary 2021 no nanomboka niasa. Iraka tanterahiny ny fiarovana ny volam-panjakana hisorohana ny fandaniam-poana sy ny fihetsika feno hosoka mety hanimba ny fitantanam-bolam-panjakana. Eo koa ny fiarovana ny harena stratejika. Miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko sy ny fandrobana ny harena voajanahary, indrindra fa ny volamena sy ny vato sarobidy. Manara-maso ny maha-ara-dalàna ny fanafarana sy fanondranana entana, ihany koa ny ANAF, indrindra eo amin'ny sisintanin'i Madagasikara sy ao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen'i Ivato. Mandray anjara amin'ny fisorohana ny fanadiovana vola maloto sy ny heloka ara-toekarena koa ny ANAF. Ary manangona sy mandrindra ireo torolalana stratejika hiadiana amin'ny hosoka, sady miara-miasa akaiky amin'ireo minisitera isan-karazany (Harena an-kibon'ny tany, Tontolo iainana, Fitsarana), ny sampan-draharahan'ny ladoany, ary ireo rafitra hafa toa ny BIANCO. Tamin'ny novambra 2025 no nanendrena ny Jeneraly Charles Andrianasoavina ho Tale jeneralin'ny ANAF. "Mbola tsy manana ny qualité d'OPJ (Officier de Police Judiciaire) aloha ny ANAF hatreto", hoy izy saingy fa "efa mamolavola rijanteny izahay mba ahazoana izany". Notsipihiny fa "manana ny fahefana hanao fanadihadiana dia aterina any amin'ny Fitsarana na any amin'ireo Police Judiciaire natao hikaroka fandikan-dalana ny dosie hanokafan-dry zareo fanadihadiana tahaka ireny tratranay teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ireny dia atolotray ny sampandraharahan'ny Ladoany na ny PAF ilay olona".
Jean D.
Jeneraly Charles Andrianasoavina, Tale jeneralin'ny ANAF