amin’ny fifidianana ny fanavaozana"
Tonga eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka nihaona tamin'ny Filohan'ny FFKM ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona - notronin'ireo tomponandraikitra eo anivon'ny Fandrindrana Nasionaly ho an'ny Fikaonandoham-pirenena, omaly, ireo iraka manokana avy amin’ny Vondrona Afrikanina, notarihan'i Mohamed Idriss Farah sy ny avy amin'ny Firenena Mikambana, Parfait Onanga-Anyanga. Nanontany mikasika ny fizotry ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, indrindra ny mikasika ny fidinana ifotony sy ny hoenti-manana amin'izany. Nilaza ny filohan'ny FFKM fa efa miroso ny fanomanana ary efa nisy ny dingana vita : dia ny fampiofanana ireo "TRIO" na mpampiofana tamina Distrika filamatra miisa enina. Efa eo am-panomanana ny fidinana any amin'ny Distrika hafa ambiny ihany koa, ny dingana manaraka ato ho ato. Notsindrian'ny Mgr Mgr Ranarivelo Samoela Jaona FFKM fa "vonona ny ekipa hanatontosa ny andraikitra efa nankinina taminy.
VONONA
Nisy koa, io andron'ny omaly io ihany, ny fihaonan'ireo delegasiona vahiny ireto tamin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, nandinika ny dingana vita sy ny asa mbola miandry. Voahaja hoy ny Minisitra ny Programan’asan’ny Fanavaozana. Napetraka ny fitaleavam-paritra amin’ny faritra 23 hanentana eny ifotony mikasika ny fandraisana anjara sy ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Mitohy ny ady amin’ny kolikoly. Tetsy ankilany ny iraka vahiny dia nanentana fa tokony handray anjara amin’ny fifidianana ny Malagasy ampy taona rehetra, koa ilaina ny fanentanana hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Mila fahatokisana amin’ny mpitondra ny vahoaka sy mangarahara amin’ny zava-miseho rehetra, eny fa na ny olana aza dia ampahafantarina. Nilaza izy ireo fa vonona hitondra ny traikefa sy ny fanohanana rehetra hahatanterahana ny fanavaozana sy ny fifidianana 2027. Na izany aza dia tsy tokony hijanona eo amin’ny fifidianana ny fanavaozana, hoy ireto iraka vahiny ireo fa tohizina ny fototra efa natsangana mba tsy hampiverimberina ny krizy.
Nangonin'i Jean D.