airtel

Actualités

13-nov-2026

Fanamafisana

ny famokarana herinaratra

Sample post image

Misy gropy enina hamokatra

13-nov-2026

5,5 MW ho an'i Toamasina
Tonga ao Toamasina, omaly, ireo « Groupes électrogènes » vaovao miisa enina, manana tanjaka mitotaly 5,5 MW, nentin'ny sambo « Kotta Angunn ». Ny Fitondram-panjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran'afo, no nanafatra ireo gropy ireto hanamafisana ny famokarana herinaratra ao an-toerana. Marihina fa efa tonga taloha ao Toamasina, ireo gropy manana tanjaka 1,5 MW, fanampin’izy ireto. Mitontaly 7 MW izany ny herinaratra vokarin'ireo gropy vaovao rehetra ireo. Tsiahivina fa ny Alahady 25 Oktobra 2026, dia nisy ireo vata mpanova herinaratra miisa efatra nalefa avy teny Ambohimanambola nankao Toamasina, izay samy manana tanjaka 2 MVA avy. Ireo dia efa vonona, hampandehanana ireto milina mpihary herinaratra tonga omaly ireto. Tanjona ny fanatsarana hatrany ny famatsiana herinaratra ho an’ny vahoaka eto Toamasina.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

13-nov-2026

Maro ny orinasa sy olona

Card image cap
13-nov-2026

miray ara-nofo koa no tena tandindonin’ny SIDA!»

Card image cap
13-nov-2026

any Tokia ny PRRM

Card image cap
13-nov-2026

Manozongozona sy mampitandrina i Etazonia…

Card image cap
13-nov-2026

Tsy tokony hijanona eo

Card image cap
12-nov-2026

Nolanian’ny solombavambahoaka

Card image cap