airtel

Actualités

13-nov-2026

Jeopolitika avo lenta,

fiarahantsika amin’i Rosia

Sample post image

Manozongozona sy mampitandrina i Etazonia…

13-nov-2026

Nohamafisin’ny Jeneraly John Brennan, manamboninahitra ambony eo anivon’ny AFRICOM (United States Africa Command), fa manana lanja stratejika lehibe ho an’i Etazonia i Madagasikara sy Mozambika ao amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana Andrefana. Taorian’ny fitsidihana nataony tany amin’ireo firenena roa ireo dia nilaza izy fa nahitana fandrosoana ny fifanakalozana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny filaminana. Nasongadiny manokana ny maha-zava-dehibe ny Lakandranon’i Mozambika amin’ny fivezivezen’ny varotra sy ny fitaterana an-dranomasina maneran-tany, ka nilazany fa tokony harovana amin’ireo fandrahonana toy ny vondrona Etat Islamique ao Mozambika. Nambarany koa fa mikendry ny hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fanofanana ara-tafika amin’i Mozambika i Etazonia, indrindra mba hiarovana ireo fampiasam-bola goavana ataon’ireo orinasa iraisam-pirenena toa an’i Total sy ExxonMobil ao Afungi. Raha ny fanazavany, mety hanova tanteraka ny toe-karena mozambikana ireny tetikasa ireny rehefa tena miasa feno, ka antony iray manosika an’i Washington hampitombo ny fandraisany anjara amin’ny sehatry ny fiarovana ao an-toerana.
MANOZONGOZONA NY FITOKISANA AMIN’I ROSIA...
Ny ampahany nahasarika ny sain’ny maro indrindra dia ny fanehoan-keviny momba ny fanatonan’i Madagasikara an’i Rosia eo amin’ny sehatry ny fiarovana. Nilaza ny Jeneraly Brennan fa manaja ny safidin’ireo firenena afrikanina hiara-hiasa amin’izay tiany i Etazonia, saingy nampitandrina ny amin’ny mety ho voka-dratsin’ny modely rosiana izay efa nampiharina tany amin’ny faritra Sahel. Araka ny nambarany, tsy nahavaha ny olan’ny fampihorohoroana io modely io ary vao mainka niteraka tsy fandriampahalemana sy fahalemena ara-panjakana tany amin’ireo firenena sasany. Nambarany fa manahy i Etazonia sao hivelatra any Afrika Atsinanana sy ny Ranomasimbe Indiana izany paikady izany. "Tianay ny hahafantaran'ireo mpiara-miombon'antoka aminay ny loza mety aterak'izany", hoy izy raha nanazava ny toerana raisin'i Washington. Nambarany ihany koa fa ny tena tanjon’i Rosia sy Sina, araka ny fijerin’ny Amerikana, dia ny fifehezana sy fitrandrahana harena voajanahary ary ny fanamafisana ny heriny ara-toekarena. Tetsy ankilany anefa dia niezaka nandresy lahatra ireo firenena afrikanina ny Jeneraly Brennan fa tsy manana tanjona fanjanahantany i Etazonia. Nambarany fa betsaka ny propagandy sy ny vaovao diso aparitaka amin’ny tambajotra sosialy milaza fa mitady hanjanaka an’i Afrika i Washington, nefa nolazainy fa lavitra ny marina izany.
MAMPITANDRINA MANOLOANA NY FIHETSIKY NY FANJAKANA ISLAMIKA
Nandritra ny fijanonany teto Madagasikara dia nitsidika ny ivon-toeram-piaraha-miasa ara-pampahalalam-baovao an-dranomasina ihany koa ny delegasiona amerikana. Nohazavainy fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fifanakalozana vaovao sy ny fanaraha-maso ireo hetsika miseho ao amin’ny Ranomasimbe Indiana Andrefana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanitarana ny fampiasana rafitra teknolojika toy ny SeaVision sy ny fampidirana fitaovana maoderina amin’ireo fanazarantena ara-tafika Cutlass Express izay hanangona firenena maro ao amin’ny faritra. Ho an’i Madagasikara, nambarany fa efa manakaiky ny fanaovan-tsonia fifanarahana AXA ny roa tonta, izay hanamora ny fifanakalozana tolotra sy ny fanatanterahana hetsika iarahana amin’ny sehatra ara-tafika sy ara-piarovana. Niresaka ny ady amin’ny vaovao diso ihany koa ny Jeneraly Brennan ka nilaza fa isan’ny fanamby lehibe atrehan’ny faritra izany, indrindra amin’ireo toerana misy fifaninanana ara-jeopolitika avo lenta. Nomarihiny fa ilaina ny mampahafantatra ny vahoaka ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasam-bola sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mba tsy hanjakan’ny tsaho sy ny fanodikodinam-baovao. Farany, nampitandrina izy fa mampitombo ny fahaizany sy ny fisiany eny an-dranomasina ny Etat Islamique ao Mozambika, ka mitaky fiaraha-miasa akaiky kokoa eo amin’ireo firenena ao amin’ny faritra sy ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena izany. Ho an’i Etazonia, hoy ny Jeneraly Brennan, ny fanamafisana ny fiarovana an-dranomasina sy ny fiaraha-miasa ara-tafika no anisan’ny fototry ny fitoniana sy ny fiarovana ny tombontsoa stratejika ao amin’ny Ranomasimbe Indiana Andrefana. Avo lenta, saingy efa nametraka moa i Madagasikara fa misokatra amin’ny lafivalon’izao tontolo izao anatin’ilay hoe : « touts azimuts » !
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

13-nov-2026

Maro ny orinasa sy olona

Card image cap
13-nov-2026

miray ara-nofo koa no tena tandindonin’ny SIDA!»

Card image cap
13-nov-2026

any Tokia ny PRRM

Card image cap
13-nov-2026

Tsy tokony hijanona eo

Card image cap
13-nov-2026

Misy gropy enina hamokatra

Card image cap
12-nov-2026

Nolanian’ny solombavambahoaka

Card image cap