airtel

Actualités

13-nov-2026

Nihaona

tamin’ireo mpianatra

Sample post image

any Tokia ny PRRM

13-nov-2026

Mila fahatsiarovan-tena iombonana isika Malagasy »
Mikendry ny hampihena hatramin’ny 34%-n’ny entona mandoto avoakany amin’ny taona 2035 i Madagasikara araka ny drafitra ara-tontolo iainana CDN 3.0, raha hiverenena ny nambaran’ny PRRM Kolonely Randrinirina, tao anatin’ny COP 31 any Antalya Turquie. Anisan’ny vina lehibe ao anatin’ity drafitra ity ihany koa ny hampitombo ny fampiasana angovo azo havaozina ho 85% amin’ny taona 2030. Mba hahatanteraka ireo tanjona ireo dia tombanana hahatratra 13,86 lavitrisa dolara ny famatsiam-bola ilaina. Efa misy paikady 4 novolovolain’ny Fanjakana entina mampahomby izany. Navoitran’ny PRRM fa mikendry ny hahatratra 70%-n’ny tahan’ny fahazoana herinaratra manerana ny Nosy ny fanjakana amin’ny taona 2030. Amin’izao fotoana izao anefa dia 42,5%-n’ny mponina ihany no manana fahafahana misitraka herinaratra, ary 16% monja izany any ambanivohitra. Araka ny fanazavany, ny tsy fahampian’ny angovo dia iray amin’ireo sakana lehibe amin’ny fampandrosoana, satria misy fiantraikany mivantana amin’ny fambolena, ny fitantanana ny harena voajanahary ary ny fanodinana ny vokatra. Ankoatra ny resaka fiovaovan’ny toetr’andro, nihaona tamin’ireo mpianatra malagasy monina any Torkia ihany koa ny PRRM. Nankasitrahany ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fianarana sy ny fikatsahana fahaiza-manao vaovao, ary namporisihiny mba hampiasa izany ho tombontsoan’ny tanindrazana rehefa miverina any Madagasikara izy ireo. Nambarany fa anisan’ny lesona azo raisina avy amin’i Torkia ny fanajana ny lalàna, ny filaminana ary ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana. Araka ny nambarany dia ilaina ny fananganana “fahatsiarovan-tena iombonana” eo amin’ny Malagasy rehetra mba hahafahana mampandroso ny firenena sy miatrika ireo fanamby ara-toetr’andro sy ara-toekarena. Nofaranany tamin’ny antso ho amin’ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra iombonana ny lahateniny. Nambarany fa ny fananganana firenena matanjaka sy mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro dia mitaky ny fandraisan’anjaran’ny rehetra, manomboka amin’ny fitondram-panjakana ka hatramin’ny olom-pirenena tsirairay.
Toky R


 

Dans la même rubrique

13-nov-2026

Maro ny orinasa sy olona

Card image cap
13-nov-2026

miray ara-nofo koa no tena tandindonin’ny SIDA!»

Card image cap
13-nov-2026

Manozongozona sy mampitandrina i Etazonia…

Card image cap
13-nov-2026

Tsy tokony hijanona eo

Card image cap
13-nov-2026

Misy gropy enina hamokatra

Card image cap
12-nov-2026

Nolanian’ny solombavambahoaka

Card image cap