airtel

Actualités

13-nov-2026

Dr Marius Ramaroson

«Ny mitovy fananahana

Sample post image

miray ara-nofo koa no tena tandindonin’ny SIDA!»

13-nov-2026

Rehefa miresaka SIDA dia tsy maintsy miresaka ny atao «Virus immuno- dh’efficience» na VIH, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Io viriosy io no manome ny aretina hoe SIDA, hoy izy. Fambara io aretina io fa mihena ny hery fiarovan’ny olona iray. Hatreto dia zavatra miisa 3 no mamindra SIDA dia ny tsiranoka avy amin’ny taovam-pananahan’olombelona, ny rà, ny reny sy ny zaza; ny reny mampinono sy miteraka. Ilay tsiranoka izany dia eo ny tsirin’aina na tsiranoka avy amin’ny mahalehilahy sy ny tsiranoka avy any amin’ny lava-body. Manaraka an’izay dia misy ireo olona hifindràn’ny rà efa misy ilay aretina na «exposé au sang». Isany ny mpiasa, olona mampiasa seraingy, mpampiditra zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny seraingy. Tsy marina, noho izany, ny filazàna fa mety mifindra amin’ny alalan’ny fifandraisan-tanana na fifampikasohana na rora io. Mbola mitombina tsara ny hoe amin’ny alalan’ny tsiranoka ilay fifindràna ary izay tsiranoka izay aza voafaritra tsara hoe avy amin’ny firaisana ara-nofo aloha ny iray. Ohatra izany ny ranon’ain’ilay lehilahy dia ny iray ilay tsiranoka vao miforona avy amin’ny lavaky ny vehivavy na lavaky ny fitombenany. Manaraka ny rà, izany hoe, ny olona mampiasa rà tahakan’ny mpiasan’ny fahasalamàna, ohatra, izao dia isan’ny tandindoniny. Toy izany koa ilay mitsindrona zava-mahadomelina voalaza teo. Eo koa ny fitaovana misy rà na misy fery avy amin’olona naratra, izany hoe, olona naratra misy SIDA. Ny fifindràna fahatelo dia avy amin’ny reny mampinono. Ny firaisana tsy voaaro izany, noho izany, dia isany voalohany mahatonga io aretina io ary izay mihitsy angamba no azo lazaina hoe isan’ny mampiparitaka be azy io. Isan’ny heverina ho mampiparitaka azy koa ny olona mitondra ilay tsimokaretina nefa tsy voaara-maso. Misy tsinona ilay fitrangan’aretina voalohany na «primo infection». Miseho iny rehefa mifandray ny olona mitondra SIDA sy olona mbola tsy voa. Ohatran’ireny olona voan’ny sery tsotra ireny ilay olona amin’iny mandritry ny tapa-bolana na iray volana mihitsy dia ambony be amin’iny fotoana iny ny antsoina hoe «charge virale» na fitosaky ny hery fiarovana. Am-bolana maro no tsy misy zava-mitranga amin’ilay olona amin’izay fotoana izay nefa mamindra SIDA izy. Lesoka be ny fizahàna an’izay hatreto. Mila hamafisina, noho izany, ny fanentanana sy fizahana satria misoko mangiana ilay izy fa tsy ohatran’ny COVID, ohatra. Eo koa moa ny filàna amin’ny maha olombelona na filàn’ny nofo dia iny koa izany mahatonga ny olona manao ho fitadiavana ny firaisana ara-nofo ho tandindonin’io aretina io foana. Ny miray mitovy fananahana koa no tena tandindonin’ny SIDA! Ohatra amin’izany ny lehilahy samy lehilahy. Toy izany koa ny vehivavy mivadika lehilahy na ny sarimbavy sy ny toy izany. Isan’ny mampiparitaka azy koa ireny. Raha ilay tarehimarika voalaza izany hoe 50 isan’andro no voamarina fa mitondra SIDA dia ilay avy amin’ny reny sy ny zaza no salan’isa kely indrindra. Ny rà koa mety mbola kely fa ilay resaka firaisana ara-nofo izay no tena mahavoa azy. Ny tokony fantarina koa dia ny hoe ny olona voan’ny SIDA ka voatsabo araka ny tokony ho izy dia tsy mamindra ilay aretina intsony. Afaka miaina toy ny olon-drehetra ilay olona avy eo saingy mitondra ilay aretina mandra-pahafaty, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-nov-2026

Maro ny orinasa sy olona

Card image cap
13-nov-2026

any Tokia ny PRRM

Card image cap
13-nov-2026

Manozongozona sy mampitandrina i Etazonia…

Card image cap
13-nov-2026

Tsy tokony hijanona eo

Card image cap
13-nov-2026

Misy gropy enina hamokatra

Card image cap
12-nov-2026

Nolanian’ny solombavambahoaka

Card image cap