airtel

Actualités

05-sept-2025

Afera Ambohimalaza : 3 volana mbola manjavozavo…

Niampy ny maty, lavo i Débora Miss Analamanga 2023

Sample post image

Telo volana aty aorian'ny raharaha tsingerin-taona nitera-doza teny Ambohimalaza ny 14 jona 2025,

05-sept-2025

namoy ny ainy omaly maraina i Hanitriniala Débora, tovovavy 20 taona, Miss Analamanga 2023. Anisan’ireo lasibatra tamin'io raharaha io izy. Efa sitrana, efa niverina niriaria, saingy voatery niditra hopitaly indray noho ny fahasemporana. Notsaboina tao amin'ny Hopitaly tsy miankina IMM izy saingy tsy tana ny ainy. "Natao trachéotomie, saingy nisy zavatra naniry tao amin’ilay fitaovana, naniry haingana be, ka niteraka fahasemporana mafy. Na dia natao aza ny ala nenina rehetra, dia tsy tàna ny ainy.", hoy ny fianankaviany. Nanamarika anefa izy ireo fa efa hita ny antony hoe ilay zavatra naniry nanentsina saingy nisy fahatarana kely teo amin'ny fanapahan-kevitra. Naneho moa ireo fianankaviany fa na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana rehefa izay no tian'Andriamanitra hakana azy dia izay satria tsy tompon'ny ampitso isika. Samy nodimandry izany ny Miss sy Mister Analamanga 2023 satria isan'ireo lavo tao anatin'ny rahary Ambohimalaza ihany koa i Rina Judicaël raha tsiahivina.

NISY NIVERINA NARARY IREO EFA SITRANA…
I Tojo, ilay tovolahy voalohany nivoaka hopitaly, dia voalaza fa niverina sempotra. I Jenny, potika tanteraka ny avokavoka, dia miandry fandidiana. Ary mbola misy hafa koa, miverina marary, miady amin’ny fahafatesana. Tranga efa niseho tamin'ireo lasibatra sasany ny toy izao hoe efa nihatsara sy hita ho salama, kanefa nivadika tampoka ny toe-pahasalamany, ary nodimandry. Manomboka mihamafy indray ny tsikera sy ny fanamarihana manodidina ny fihetsiky ny Fanjakana hoe: nahoana no tsy nety niroso tamin'ny EVASAN (Évacuation Sanitaire)? Matahotra ny fanadihadiana "toxicologique" mety hataon'ny mpitsabo any ivelany mifanohitra amin'ny nolazain'ny Fanjakana?
HATRAMIN'IZAO TSY MISY FITSARANA
Tafakatra 34 ankehitriny ny isan’ireo namoy ny ainy. Hatramin’izao, tsy mbola nisy Fitsarana, mangina ny fanjakana taorian'ny fanitrikitrihana fa fanapoizinana niniana natao vokatry ny lonilonim-pianankaviana. Nolazaina fa efa nisy niaiky ny helony ny tamin’ireo voarohirohy, saingy mandrak’izao dia tsy mbola notsaraina. Manomboka nivoaka tamin'ny fahanginany ihany koa ny fianankavian'ny tovovy iray voarohirohy izay nilaza fa efa nilazana izy ireo hoe: tsy meloka ity farany fa hatramin'izao tsy misy Fitsarana. Inona no tena marina ? Tsy nifarana tamin'iny ny tranga na efa nogadraina aza ireo lazaina fa nanao ny famosaviana na mivantana na ankolaka. Tranga mitovitovy no nipoitra taorian’izay: tao Ambositra, fotoana fohy taorian’ny Ambohimalaza, nisy fanapoizinana niteraka fahafatesana olona 18. Teny Ampitatafika, vao herinandro lasa, mpanakanto roa no maty rehefa avy nafana lanonana tsingerin-taona ny sabotsy teo, ary iray hafa marary mafy, taorian’ny fety nisy fisakafoanana. Nitovitovy ny trangan'aretina: sempotra, very ny fahitana, fanina,... Ny sasany nolazaina fa poizina niniana natao, ny sasany nolazaina fa "botulisme",... Fanina vahoaka, ain'olona marobe no maty saingy vitavita ho azy!?
Toky R