airtel

Actualités

08-avril-2026

Afera Ben'ny tanàna

notorian’ny EKAR

Sample post image

Nafana ny toe-draharaha tao Ambositra

08-avril-2026

Taorian'ny nisamborana azy ny alahadin'ny paka teo, natolotra ny fampanoavana omaly 07 aprily 2026, ary naiditra am-ponja vonjimaika ny ben'ny tanànan'ny Kaominina Ambanivohitr'i Tsarasaotra any Ambositra Atoa Michael Kennedy. Izy izay notorian'ny Fiangonana katololika EKAR Diosezin'Ambositra noho ny raharaha fitrongisana zanakazo in-droa niantaona teo amin'ny tany izay voalaza fa an'ny katolika. Ny raharaha dia nanomboka tamin’ny 16 Febroary 2026, saingy tsy tonga tamin’ny fotoana fampanaovana voalaza izy. Voasambotra tamin'ny 5 Aprily ary omaly no niakatra fampanaovana saingy tsy navelan'ny vahoaka halefa any am-ponja. Somary nafampana ny toe-draharaha satria nisy andiana vahoaka nitondra sora-baventy sy nanakana ny fandefasana azy any am-ponja sy nitaky ny famotsorana ity ben'ny tanàna vao erotrerony ity. Natrehan'ny fianankaviany ny zava-nitranga, ka ranomaso havozona ny azy ireo teo anatrehan'ny fisarahana. Voatery niditra an-tsehatra nifehy ny toe-draharaha ny mpitandro filaminana. Voalaza ny androtr’io omaly io tamin’ny 1ora tolakandro fa naiditra am-ponja vonjimaika ity farany, saingy nisy indray ny filazana fa nanao fanambarana i Maire Mika hoe Antaponivinany ny fotoana amin’ny 4ora sasany hanazavany ny tena zava-misy marina. Volaza fa nahazo fahafahana ka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana izy. Marihina fa nanao « Opposition » ny mpisolovava azy talohan'io. Notsenain’ireo vahoaka mpanara-dia azy tamin’ny horakoraka sy diabe moa ity ben’ny tanàna ity. Andaniny, milaza i Mompera None Fitiavana, fa tany mirefy 4hekitara misoratra amin’ny EKAR Diosezin’Ambositra ao anatin’ny kaominina Tsarasaotra no notrongisina tamin’ny engins, izay voalaza fa ben’ny tanàna tao an-toerana no tompon’antoka tamin’izany. Rehefa nangataka fihaonana fifampiresahana tamin’ity ben’ny tanàna ity ireo Mompera manodidina ny 100 sy ny eveka dia tsy noraisiny hoy i Mompera None Fitiavana. Niroso tamin’ny fametrahana fitoriana teny amin’ny polisim-pirenena ny EKAR Diosezin’Ambositra tamin’ny Febroary 2026 saingy tsy namaly ny antso natao azy hatrany ity ben’ny tanàna ity ka niroso tamin’ny fisamborana. Tsy misy resaka politika fa fanimban-javatra no antony nitoriana ny ben’ny tanànan’i Tsarasaotran, hoy i mompera None Fitiavana , izay tsy tokony ho lalaovina amin'ny fihetseham-po ny vahoaka. Samy manana ny andraisany ny toe-draharaha moa ny any an-toerana, ka misy ireo nijoro niaro ny ben'ny tanàna ho manana ny rariny, fa misy ihany koa ny manamarika fa somary bebe loha sy sarotra atao ihany ingahy mera. Andrasana ny fivoarany sy ny tohin'ny raharaha…
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

Card image cap
16-avril-2026

machine élévateur" ilay olona

Card image cap
14-avril-2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Card image cap
14-avril-2026

Ampangain’ny PAN ho mpanakorontana ireo ampahana GEN Z

Card image cap
14-avril-2026

mpanao kolikoly izaho sy ny Filoha ! »

Card image cap
14-avril-2026

Tovovavy iray izay lany

Card image cap