airtel

Actualités

29-juil-2025

Afera goavana ifamatorana amin’ny Iranianina

Sarotra inoana fa tsy tafiditra ny Fanjakana Foibe

Sample post image

Tsy afa-miala amin’ny raharaha famotsiana fiaramanidina nakany Iran ny Fanjakana Rajoelina.

29-juil-2025

Rafitra ara-panjakana tafiditra voalohany ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) manokana io. Ny UDAAN Aviation no tondroina ho nanao hosoka kanefa rehefa nojerena, dia efa ny septambra 2022 no nanan-kery farany. Ny solontenany teto ahiana ho « société écran » na tandindona fotsiny. Tena hoe ny tompon’andraikitra teto ve no tsy malina sa afera efa avo lenta niraisana? Sarotra ny hino fa raharaha tsotra mahakasika ny ACM irery io, fa io no mety natao fitaovana sy hatao sorona, hanaronana ny afera maloto goavana. Heverina sy inoana fa raharaha sy aferam-panjakana goavana. Ry Rinah Rakotomanga izay nahalala ny aty vilany tao anatin’ny Air Madagascar sy Madagascar Airlines no efa mamoaka amin’ny antsipirihany ireo voalaza fa tetika maloto sy kolikoly avo lenta tao anatin’io ka inona indray no hanarontsaronana azy? Lazaina fa nosandohana sy nanamboarana taratasy hosoka ny mikasika ny CIP (Certificat d’Immatriculation Provisoire) sy CDN (Certificat de Navigabilité Provisoire) ka nolazaina fa tokony hanan-kery ny janoary-aprily saingy novaina ho ny mey-jolay vao tapitra. Namoahana sy nangatahana didy fampisamborana iraisam-pirenena i Andriamananarivo Heriniaina Rijasoa sy Khushwinder Singh izay isan’ny ampangaina ho atidoha kanefa i Rinah Rakotomanga izay isan’ny nahalala ny mafana sy ny mangatsiaka no milaza fa mpiara-miasa akaiky tamin’ny Minisitry ny fitaterana Valery Ramonjavelo ireo ilay Indianina io, na tany Dubai na tany Shanghai. Ara-diplaomasia, tsiahivina fa nandefa solontena nandritra ny fianihanan’ny Filoha Iranianina Massoud Pezeshkian ny 30 jolay 2024 izany hoe : herintaona katroka rahampitso ny Fanjakana Rajoelina, ka nisolo tena azy tany ny Minisitry ny Fitaterana Valery Ramonjavelo, ny depiote Augustin Andriamananoro,… Fifandrifian-javatra ve herintaona aty aoriana, dia io mivoaka io vaky ambatolampy io ny dosie goavana momba ny famotsiana ireo fiaramanidina nakany Iran? Sao izao no tonga amin’ilay tenin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rafaravavitafika Rasata hoe : « manana ny fahaleovantenany i Madagasikara, afaka misafidy malalaka amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena ». Isika izay voizina foana fa mametraka diplaomasia ara-toekarena misokatra. Henjakenjana anefa ny mety ho fiantraikan’io amin’ny lafiny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-toekerana, ka isan’ny akaiky indrindra ny fanapahan-kevitra momba ny tsenan’ny AGOA izay ny septambra izao ny fanapahan-kevitra, ilay resaka haban-tseranana 47% mbola mitatao,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap
20-avril-2026

ho an'ny Filoham-panjakana...

Card image cap
20-avril-2026

fandraisana lesona amin'ny tsikera"

Card image cap
20-avril-2026

Tanora iray voapoizina teny Ambohimalaza

Card image cap