airtel

Actualités

14-nov-2025

Afera Jirama

Tafakatra 3 ny voasambotra, 1 voaroaka

Sample post image

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

14-nov-2025

nosamborina sy atao fanadihadiana eny anivon'ny Polisim-pirenena tao anatin’ny 42ora. Antony ny fihoaram-pefy sy fandikan-dalàna izay mitarika ny fandranitana ny olom-pirenena, ny fanimbana fananana iombonana sy fananam-panjakana toy ny tariby mpitsinjara herinaratra, hoy ny Jirama. Naharay fitoriana avy amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy ny Jirama ahakasika ny mpiasa iray eo anivon’ny Jirama ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna ny 12 novambra 2025, ka nisamborana an’i Anmora Ratovomanarivo mpitarika ny SMJ (Sendika Mpiasa-Jirama), ary io niitatra io, ka nisian’ireo 2 hafa voasambotra omaly. Ankoatra izay, mpiasa iray hafa ihany koa no voalaza fa noroahana noho ny tsy fanekena ny fahefam-pitantanana misy eo anivon'ny orinasa. Vesatra 3 raha tsiahivina no hanenjehana ireo mpiasan’ny Jirama, dia ny fanohintohinanana ny fahefàm-panjakàna amin’ny alalan’ny hetsika mivoana any amin’ny fandikan-dalàna ka mitarika ny fandranitana ny olom-pirenena (atteinte à la sûreté de l’Etat) ; fandrisihana amin’ny fifankahalàna (incitation à la haine) ; fanimbàna fananana iombonana sy fananam-panjakàna (destruction de biens publics). Manamafy ny Foibem-pitantanan'ny Jirama fa tsy handefitra amin’ireo rehetra manohintohina ny fampandehanan-draharaha fanarenana ny orinasa, indrindra fa ireo manao takalon'aina ny mpanjifa. Andaniny, nihatsika ny sendika samihafa, miaro ny mpitarika sendika nosamborina. Mety misy ny heverin’izy ireo fa rariny, ary mety misy rariny ny fitakiana sy ny fifampiarovana, saingy tena nijanona teo amin’ny fitakiana sendikaly ve ny fihetsika nitranga ? Miombon-kevitra sy manohana ny ankasomparana sy fanimbana fananam-bahoaka ary gafy ara-toekerana ve ireo miaro izany fihetsika izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap