Tsy dia misy fitsaharana loatra ny politika sy ny fiainam-pirenena na anaty vanim-potoana fety aza isika. Nisongadina ary nihazakazaka tamin'ity herinandro ity ny fanapahan-kevitra lehibe ara-politika toa nifanohy. Voalohany ny toe-javatra nifamahofaho niseho tao amin'ny HCC. Nanenjana sy nilaza fa tsy nametra-pialana ireo mpikambana 3 notendren'ny Filoham-pirenena teo aloha Andry Rajoelina, saingy nilamina ihany rehefa nandeha ny fifampiresahana, voapetraka ireo solontena 3 notendren'ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. Tsy niandry ela fa 24 ora taorian'izay no nisian'ny fanapahan-kevitra hentitra mikasika ny fakan-kevitra momba ny loholona Richard Ravalomanana sy Lalatiana Rakotondrazafy, ka nalatsaka ny didy manala ireto lohandohan'ny mpisorona tamin'ny fitondran-dRajoelina ireto. Nilatsaka avy hatrany ihany koa ny taratasy fampiantsoana ity manamboninahitra ambony misotro ronono ity, saingy nivadika ho ady ara-tserasera sy fandrangarantana basy. Sambany teo amin'ny tantara no nisy olona ambony tratry ny fampanantsoana mikasika ahiahina fanohintohinana ny filaminana anatin'ny Firenena na "atteinte à la sûreté intérieur de l'Etat" no tonga dia mandrangaranga hery sy milaza efa miomana ny ho faty. Firifiry ireo natao an'izany tamin'ny fitondrana Rajoelina. Saika namaly sy tonga nohadihadiana. Tao ny nogadraina, tao ny afaka, tao ny nampanginina, tao ny maty,... fa ity tonga dia mandrahona sy milaza fa madio. Vao fampanantsoana dia efa mampiseho vangy kanefa mbola tsy misy resaka fanalelohana hahafahana misitraka ny "présomption d'innocence". Somary mahagaga sy manaitra ihany ny fananana fahatokisan-tena sy fahasahiana hoe hamaly sy vonon-ko faty. Mbola mitoetra hatrany izany ilay foto-pisainana didin'ny be sandry na efa tsy ao anaty Fitondrana intsony aza, ary tena fanehoana fanoherana ny fahefam-panjakana tsy mamaly ny fampiantsoana. Firifiry ireo olona novesaran'ny Fanjakana Rajoelina vesatra henjana mikasika io "atteinte à la sûreté de l'Etat", eny fa hatramin'ny depiote manana zo tsy azo samborina aza natao toy ny biby, tao ny potika ny fiainany, mitondra takaitra, maty zanaka, maty,... fa tsy nampihetsi-bolomaso ny volomboasary. Ankehitriny misy sahy mandrefy ny fahefam-panjakana vao aty amin'ny fanadihadiana dia efa midingin-drambo. Inona no ao ambadik'ilay fahasahiana mihoampampana sa tsipaky ny miala aina?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»