airtel

Actualités

26-mars-2026

Ala honko

Mampihena ny fiantraikan’ny loza voajanahary

Sample post image

Ny ala honko dia iray amin’ireo

26-mars-2026

ala mitahiry karbôna betsaka indrindra, hoy ny fampahatsiahivan’ny teo anivon’ny Madagascar national park omaly. Izy ireo dia manampy amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary mampihena ny fiantraikan’ny loza voajanahary, hoy ny fanazavàna. Ao amin’ny ala honko no mivelona sy manatody ny karazana biby an-dranomasina maro samihafa ary maro ireo mponina manodidina no mivelona aminy ihany koa. Isan’ny nanazava ny Mpanjaka Be Arana IV avy ao Maromandia fa zava-dehibe ny ala honko indrindra ny ao amin’ny Valanjavaboahary Sahamalaza. Misy ny fady tokony arahina ho fiarovana sy ho fanajana ny lova navelan’ny razana, hoy hatrany ity sampan-draharaha ity nampahafantatra ihany koa ny zava-misy ao Sahamalaza.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap