airtel

Actualités

18-mars-2026

ALAOTRA MANGORO IRAY FEO

Mangataka ny hamahan'ny

Sample post image

Filohan'ny fanavaozana ny olan'izy ireo

18-mars-2026

Niakatra teto an-drenivohitra nihaona tamin'ny mpanao gazety omaly Talata 17 Martsa ireo fikambanana maro samihafa avy any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro nahitana ny FIAMIS, KMT, GEN Z Tantsaha, ny sendikan'ny mpampianatra ...izay mivondrona ao anatin'ny fikambanana Alaotra Mangoro iray feo. Diso latsaka an-katerena loatra mantsy ity Faritra iray ity raha araka ny fanazavan'izy ireo omaly. Raha mitohy izao fitontongan'ny vidim-bary izao hoy izy dia mety tsy ho afaka hamboly intsony ireo tantsaha mpamokatra amin'ny taona ho avy. Tafiditra ao anatin'izany ny tsy fahafahana mivarotra Ilay vary 40.000 taonina eny an-tsena raha mbola mitontongana hatrany ny vidiny. Ankoatra ity olana ara-bary ity dia mangataka ny Fitondram-panjakana mba hijery ireo karazana olana ara-pifidianana tany amin'ity Faritra iray ity ihany koa izy ireo na tamin'ny Ben'ny tanana izany na tamin'ny solombavambahoaka. Tafiditra ao anatin'izany ny tany amin'ny distrikan'i Moramanga sy Amparafaravola. Farany izay tsy kely akory dia tsy nanadino ny niarahaba ny Praiministra vaovao Rajaonarison Mamitiana izy ireo ary mampanantena ny fahavononany hiara-kiasa. Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny fikambanana nampaneno lakolosy omaly !


 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap