airtel

Actualités

08-avril-2026

Alarobia Ambatomanga

Norobain'ny olona ny fanamafisam-peo rehefa tsy tonga i Dadi Love

Sample post image

Savoritaka no niafaran'ny Alatsinainy Paka 2026

08-avril-2026

tao Alarobia Ambatomanga, Distrika Manjakandriana. Norobain'ny olona ny fanamafisam-peo rehefa sasa-niandry ny mpanakanto Dadi Love hiaka-tsehatra nefa tsy tonga ity farany. Mpanakanto roa no nasain'ny mpikarakara sy nanaovana afisy fampahafantarana fa hiaka-tsehatra hanafana ny Alatsinainy Paka tamin'io, dia i Daddi Love sy Meizah. Nisy mpanakanto iray fanampiny. Olona samihafa ny mpikarakara ny fampisehoana sy ny tompon'ny fanamafisam-peo, ity farany izay karama no nataony tany. Teo ampiandrasana ny mpanakanto Dadi Love no niakatra ny maripana. Nilentika ihany ny masoandro fa tsy tonga ny tarika, ka nentin-katezerana ireo mpijery tonga maro tamin'io andro io. Nanomboka nihanika ny lapihazo izy ireo, niitatra tamin'ny fandrobana sy fanimbana ireo fitaovana fanamafisam-peo, mbola niampy fandrahonana ny handoro izay sisa tsy voaroba sy potika. Teo imason'ny vady aman-janaky ny tompon'ny fanamafisam-peo no nisehoan'izany rehetra izany, ireto farany izay niaina tao anaty horohoro sy tebiteby satria dia efa saika nihatra aman'aina izany fa soa fa nisy ihany mpijery tsara sitrapo niaro azy ireo. Tratry ny be noho vitsy koa ka tsy afa-nanoatra ireo zandary nisahana ny fandriampahalemana. Nialoha io seho io dia efa nanao ranty vidéo tamin'ny Facebook i Dadi Love nanazava fa sehatra efatra no hataon'ny tarika io andron'ny Alatsinainy Paka io, dia Bevalala, Coliseum, Soute à Bombe Ivato ary Alarobia Ambatomanga no mamarana azy, ka mety ho tara fa tsy maintsy tonga ny tarika na amin'ny 8ora alina aza, ary efa nifanarahana tamin'ny mpikarakara izany raha ny filazan'ilay mpanakanto hatrany. Mbola nohamafisiny io fanazavana io rehefa nahita ny zava-nitranga izy sy ireo fanankianana maro niantefa taminy. Nilaza i Dadi Love fa efa an-dalana hiazo an'Alarobia Ambatomanga ny tarika no nahazo antso mba tsy ho avy intsony noho ny korontana mitranga ka niverin-dalana. Tao anaty hakiviana tanteraka ny tompon'ny fanamafisam-peo satria herimpo nohariana an-taonany maro no potika sy nafoy tao anaty indray mipi-maso nefa tsy nisy hadisoana avy aminy, ka nanaovany fanairana ireo tompon'andraikitra izay mety ho voakasik'izany. Naka vaditany moa ny tompon'ny fanamafisam-peo nanamarina ny zava-misy sy izay hany fitaovana sisan'ny fandrobana. Fanintelony tamin'io no nanao fanamafisam-peo tao an-toerana ny tompony, tsy nisy tomika tamin'ireo seho roa taloha raha toa ka fandrobana saika nihatra aman'aina tamin'ity Alatsinainy Paka 2026 ity. Naneho fiombonana ary nampirisika ny tompon'ny fanamafisam-peo hametraka fitoriana ny sendikan'ny Mpanakanto tarihin'i Rossy, manoloana izao fandrobana sy famotehana fitaovana izao.
Jean D.
Tao anaty alahelo tanteraka ny tompon'ny fanamafisam-peo nampahalala ny zava-nitranga taminy
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap