tao Ambandrika, hoy ny fampitam-baovao voaray. Avy any amin'ny kaominina Tanandava no niainga ireto hazo sarobidy ireto ary saika ampiasaina ao Ambatondrazaka, raha ny fanazavan'ny lietnà Razanabahoaka Seheno, manamboninahitra lefitra eo anivon'ny kaompania Ambatondrazaka. Ny mpamily ny fiara nitondra azy irery no tratra niaraka tamin'ireo hazo. Mbola tsy fantatra, raha ny voalaza, ny tena tompon'ireo voamboana, hoy hatrany ny fanazavana. Mampahatsiaro ireo voamboana tratra tany Vohitraivo Amparafaravola tamin'ny oktobra 2022 teo izato izy, hoy ny mpanara-baovao. Solombavambahoaka no voatonona tamin'iny ary aiza ho aiza ny tohin'ny fanadihadiana, efa-bolana aty aoriana? Ny mpamily ihany koa no naiditra am-ponja, raha tsiahivina.
J. Mirija
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny
Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.