airtel

Actualités

11-janv-2023

Actualités

Ambohimahasoa 2 no maty tamin’ireo 11 nilatsaham-baratra

Sample post image

Olona 11 isa no nilatsaham-potaka tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antoetra, distrikan’Ambohimahasoa ny 09 janoary lasa teo.

11-janv-2023

Ny roa tamin’izy ireo no namoy ny ainy izay fantatra fa mpivady raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny efitrano fameloman’aina ireo zanany roalahy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. May ary maratra mafy kosa ireo olona 7 ambiny izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny dispanseran’Ambohimahasoa ihany koa. Raha araka ny fantatra moa dia samy efa tonga tao an-tokantranony avokoa ireo olona 11 mianaka iray trano ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.Tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro tany ho any mantsy no nisehoan’izany. Nisy fianakaviana iray nahitana olona 19 ihany koa moa voalaza fa nolalovan’ity varatra ity saingy tsy nisy naninona.
Legende : Efa tsaboina ireo naratran’ny varatra
(Sary nindramina)
Pati
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap