tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Ambohimanga Rova Nofatoran’ny bibilava ny tendany, maty ilay zazalahy

Nisehoana tranga mampalahelo ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova, distrikan’Avaradrano.

16-nov-2022

Sample post image

Zazalahy kely iray tombanana ho 9 na 10 taona eo ho eo no maty nofatoran’ny bibilava ny tendany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nilalao teo akaikina lavaka bibilava io zazalahy kely io ka toy ny notarihin-javatra nahita kofehy kely nitrangatranga teo. Nalaim-panahy nisintona io kofehy kely io izy ka nanaraka avy hatrany ny bibilava voalohany. Tsy nijanona teo anefa ny tantara raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso fa mbola notoratorahin’ilay zazalahy kely ity ihany ilay bibilava ka mpiandry omby iray no nanakana azy tsy hanao izany. Nivoaka avy tao an-davaka avokoa ireo namany nandritra izany ka notoratorahin’ireo nanatri-maso teo. Karazan’irony maro an-davaka irony izy ireo raha araka ny fantatra.
NANARAKA TANY AN-TRANO
Nony hariva anefa dia mbola nisy bibilava kely iray nanaraka hatrany an-tranony ihany io zazalahy kely io ka io no namatotra ilay tendany, antony namoizany ny ain-dehibeny. Nibontsina io bibilava io nandritra izany na dia voalaza fa kely aza. Kenda avy hatrany mantsy ilay zaza raha mafy tsy hay novahana kosa ilay bibilava. Raha araka ny fantatra moa dia efa nisy ihany ny fombafomba nataon’ny Ray aman-dRenin’ity zazalahy kely ity nanavotana ilay menaky ny ainy saingy efa tara loatra izany. Manahy mafy araka izany izy ireo fa bibin-javatra ity bibilava novonoin-janany ity.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus